1Dia niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO
2mba hamepetra ny Fiangonana israelita tsivakivolo hoe:
«Aoka ho masina ianareo satria masina Aho, ilay TOMPO Andriamanitrareo.
3«Samia manaja ny ray aman-dreninareo, ary tandremo ny sabata nodidiako hitsaharana. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
4«Aza mivily hanaraka ireo andriamani-tsiizy ary aza manao andriamanitra anidina ho anareo. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
5«Rehefa manolotra sorom-pihavanana amiko TOMPO ianareo, dia ataovy araka izay hahazoanareo sitraka amiko izany.
6Ny andro hamonoana ny sorona sy ny ampitson’iny no hihinananareo azy; fa izay sisa tratry ny andro fahatelo kosa dia hodorana.
7Raha mbola hanina amin’ny andro fahatelo izany, dia tsy hahazoana sitraka amiko satria hena tsy manan-kasina intsony.
8Izay mihinana azy amin’izany, dia itambesaran-keloka satria manamavo ny zavatra voatokana ho Ahy TOMPO; ka dia hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita izany olona izany.
9«Rehefa mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo, dia aza jinjana ny eny an-tsisiny; ary aza tsimponina ny salohim-bary natao hotsimponin’ny hafa amin’ny vokatrareo.
10Aza otazana koa ny sampaho tavela amin’ny voalobokareo, ary aza tsimponina ny voany latsaka amin’ny tany; fa avelao izany ho an’ny mahantra sy ny vahiny. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
11«Aza mangalatra, aza mandainga, ary aza mifamitaka ianareo.
12Aza mianiana amin’ny anarako mba hamitahana satria manala baràka ny anarako izany. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
13«Aza mamoritra ny namanareo hahazoana ny fananany, aza manendaka azy; ary aza tananao miloaka alina ny karaman’ny mpikaramanareo.
14Aza miteny ratsy ny marenina, ary aza manisy sakana hampianjera eo alohan’ny jamba; izany no hanehoanareo fanajana Ahy Andriamanitrareo. Izaho no TOMPO.
15«Aza manao izay tsy marina amin’ny fitsarana: ny mahantra, aza ananana tombom-pitia; ny lehibe, aza ananana hena-maso; fa ara-drariny no aoka hitsaranareo ny mpiray firenena aminareo.
16Aza manely fanendrikendrehana olona eo amin’ny mpiray firenena aminareo. Aza mitsangan-ko vavolombelona mandainga mba hanamelohana ny namanareo ho faty. Izaho no TOMPO.
17«Aza mankahala ao am-ponareo ny mpiray firenena aminareo fa anaro tsara izy mba tsy hahazoanareo heloka noho ny aminy.
18Aza mamaly ratsy na manao lolom-po amin’ny mpiray firenena aminao fa tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao. Izaho no TOMPO.
19«Tandremonareo koa ireto didiko ireto:
«Aza avela hiray amin’ny hafa karazana noho izy ny biby fiompinao; aza fafazana voan-javatra roa karazana mifangaroharo ny tanimbolinao; ary aza mitondra fitafiana voatenona tamina kofehy roa karazana mifamahofaho.
20«Raha misy lehilahy miray amina vehivavy mpanompo izay voafofon’olon-kafa ho vadiny, nefa mbola tsy voaavotra na voavotsotra ho olona afaka, dia handoa onitra izany lehilahy izany; saingy tsy hohelohina ho faty izy roroa satria tsy olona afaka ravehivavy.
21Hisy koa sorom-panorenana amiko TOMPO hoentin-dralehilahy ho eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana, dia ny ondrilahy anankiray fanao sorom-panonerana.
22Io ondrilahy io no hanaovan’ny mpisorona ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho azy eo anatrehako TOMPO noho ny fahotana nataony; dia havela izany fahotany izany.
23«Rehefa tafiditra any amin’ilay tany ianareo ka mamboly hazo fihinam-boa isan-karazany, dia hataonareo ho maloto ny voany mandritra ny telo taona voalohany ka tsy hohanina.
24Amin’ny taona fahefatra, dia hatokana ho Ahy avokoa ny voany mba ho fiderana Ahy TOMPO.
25Fa amin’ny taona fahadimy vao hihinana ny voany ianareo. Raha izany no ataonareo, dia hitombo ny fahavokaran’ny hazo ho anareo. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
26«Aza eo amin’ny tany andrarahana ny ram-biby no ihinananareo ny henany; aza manao sikidy na fanandroana.
27Aza hetezana atao vorivory ny sisim-bolon-dohanareo, ary aza haratana ny volon-tavanareo.
28Aza ratraratraina ny tenanareo ho fisaonana ny maty, ary aza asiana tombokavatsa ny hoditrareo. Izaho no TOMPO.
29«Aza manala baràka ny zanakavavinareo amin’ny fampijangajangana azy; fandrao ny mponina eo amin’ny tany no hivarilavo amin’ny fijangajangana ka ho feno haratsiam-pitondrantena.
30Tandremo ny sabata nodidiako hitsaharana ary hajao ny Toeramasina onenako. Izaho no TOMPO.
31«Aza mivily hanaraka izay mpamoha angatra sy izay olona tsindrian-javatra. Aza maka hevitra aminy fandrao voalotony ianareo. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
32«Mitsangàna ianao raha manoloana ny olona efa antitra ho fanomezam-boninahitra azy; izany no hanehoanao fanajana Ahy Andriamanitrao. Izaho no TOMPO.
33«Rehefa misy vahiny hiorim-ponenana eo amin’ny taninareo, dia aza mampahory azy.
34Ataovy tahaka ny anankiray aminareo tompontany ihany no fitondra ny vahiny valovotaka eo aminareo; fa efa mba vahiny tany Ejipta ianareo. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
35«Aza manao izay tsy marina eo amin’ny lamina voarindra momba ny refy sy lanja ary fatra.
36Mizàna marina sy vatomizana marina ary famarana marina no tano. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo, Izay namoaka anareo hiala tany Ejipta.
37«Imasoy hotanterahinareo ny lalànako amam-pitsipiko rehetra. Izaho no TOMPO.»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.