Zakarià 10 - Malagasy Bible

Mangataka amin’ny Tompo fa tsy amin’ny sampy

1Mangataha amin’ny Tompo

handefasany ranonoran-dohataona

fa Izy no manao ny oram-baratra;

dia homeny oram-be mivatravatra ianareo

ary samy hataony maitso mavana ny sahanareo

2Fa zava-poana no tenenin’ny sampy.

Ary lainga no hany hitan’ny mpisikidy;

tsy misy dikany ny nofy tantarainy,

feno fitaka ny fampiononana entiny.

Izany no nahavoatery ny vahoaka handeha,

ka ory tahaka ny andianondry tsy misy mpiandry.

Ireo tokim-panafahana

3«Ireo vahiny miandry ny vahoakako

no irehetan’ny fahatezerako;

ireo osilahy no iantefan’ny famaliako.

Izaho Tompon’izao rehetra izao kosa

efa hamangy ny ondriko,

dia ny taranak’i Joda izany.

Toy ny soavaly voaravaka hiady izy

no hoentiko any amin’ny toeram-piadiana.

4Avy ao aminy no hipoiran’ny filoha rehetra

izay azo antoka toy ny vatofehizoro,

matotra toy ny tsatokan-day,

ary hentitra toy ny tsipîkan’ady.

5Ho toy ny mpiady mahery ireo,

ka hanitsakitsaka ny mpifanandrina aminy

toy ny fotaka eny an-dàlambe.

Hiady ireo, satria Izaho Tompo no momba azy;

ary dia ho safo-kenatra

ny fahavalo mpitaingin-tsoavaly.

6Hampahery ny taranak’i Joda Aho

ary hamonjy ny taranak’i Jôsefa;

dia haveriko amin’ny laoniny indray ireo,

satria hanehoako famindrampo

ka ho toy ny tsy nariako na oviana na oviana.

Ary hamaly vavaka azy koa Aho,

fa Izaho no Tompo Andriamaniny.

7Ho toy ny mpiady mahery ireo lehilahin’i Efraîma,

ary ho dibo-kafaliana toy ny azon-divay ny fony.

Hahita izany ny zanany, ka ho ravoravo;

ary noho Izaho Tompo dia hibitaka ny fony.

8Hiantso ny vahoakako Aho ka hanangona azy,

satria efa navotako izy,

ka hihamaro toy ny taloha indray.

9Tahaka ny fanaparitaka voa famafy

no nanelezako azy tany amin’ny firenena;

fa na dia any lavitra any aza ireo

dia hahatsiaro Ahy ihany.

Any izy no hiaina miaraka amin-janany,

kanefa avy eo dia hiverina indray.

10Hampodiko avy any Ejipta izy

ary hangoniko avy any Asiria,

ka hoentiko any Gilehada sy any Libano;

saingy na dia ireo toerana ireo aza

dia mbola tsy ho omby azy ihany.

11Hamakivaky ny ranomasim-pahoriana izy;

Izaho Tompo kosa hively ny onjan-dranomasina

sy hahatankina tanteraka ny onin’ny Neily.

Dia haetry ny avonavon’i Asiria,

ary ho very fahefana i Ejipta.

12Dia Izaho Tompo no ho herin’ny vahoakako;

ary amin’ny anarako no hifampiarahabany.

Izaho Tompo no manao izany teny hentitra izany».

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help