Mikà 3 - Malagasy Bible

Fampitandremana ireo mpitondra

1Dia hoy aho hoe:

Ry mpitondra ny taranak’i Jakôba,

eny, ry mpitsara ny vahoakan’i Israely,

mihainoa re ianareo.

Moa tsy anjara raharahanareo ve

ny hahafantatra ny rariny?

2Kanefa dia ny tsara no halanareo

ary ny ratsy no tianareo,

ka endahanareo mbamin’ny hoditry ny olona

sy ny nofony mandrakotra ny taolany.

3Eny, haninareo ny nofon’ny mpiray firenena amiko,

endahanareo ny hodiny,

vakivakînareo ny taolany,

ary tetehanareo izy

tahaka ny hena handrahoina am-bilany.

4Amin’izany, dia hitaraina amin’ny TOMPO ianareo,

nefa tsy hohenoiny;

hihodina tsy hijery anareo Izy

noho ny asa ratsy nataonareo.

Fampitandremana ireo mpaminany mpamita-bahoaka

5Izao no lazain’ny TOMPO ny amin’ireo mpaminany

izay mpamitaka ny vahoakako:

«Raha misy mahafoy hokepohiny,

dia iantsoany ‹Fiadanana›.

Fa izay tsy manome zavatra hataony am-bava kosa

dia hananganany ady manokana.

6Noho izany, foana ny fisehoam-pahitana

fa ny alina no ho aminareo mpaminany mpamitaka.

Foana koa ny fanambaràna ny ho avy

fa ny haizina no hanarona anareo.

Hilentika aminareo ny masoandro,

ka ho maizina aminareo ny andro!»

7Dia ho menatra ny mpaminany isehoam-pahitana,

ary hangaihay ny mpanambara ny ho avy;

hisarom-bava avokoa izy rehetra,

satria tsy namaly azy intsony Andriamanitra.

8Izaho kosa, noho ny Fanahin’ny TOMPO,

dia feno tanjaka sy rariny ary herim-po,

mba hanambara amin’ny taranak’i Jakôba ny helony,

eny, mba hanambara amin’ny vahoakan’i Israely ny fahotany.

Ambaran’i Mikà mialoha ny handravana an’i Jerosalema

9Ry mpitondra ny taranak’i Jakôba,

eny, ry mpitsara ny vahoakan’i Israely,

henoinareo re izao:

Halanareo fatratra ny rariny,

ary avadikareo ny hitsiny rehetra.

10Amin’ny fandatsahan-dra no anorenanareo an’i Tsiôna;

amin’ny famoretana no anorenanareo an’i Jerosalema.

11Ny mpitondra azy mitsara mba hahazoana tsolotra;

ny mpisorony mampianatra ny lalàna

mba hahazoana karama;

ary ny mpaminaniny manambara ny ho avy

mba hahazoana vola.

Kanefa dia mbola miankina amin’ny TOMPO ihany ireo

ka miteny hoe:

«Tsy eto anivontsika ve ny TOMPO?

Tsia, tsy hisy loza hanjo antsika.»

12Koa, noho ny aminareo,

i Tsiôna dia hasaina toy ny tanimboly;

i Jerosalema ho tonga korotam-bato;

ary ny tendrombohitra misy ilay tempoly

ho rakotry ny kirihitra ala.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help