Rota 2 - Malagasy Bible

Mitsimpona salohim-bary eny an-tanimbarin’i Bôhaza i Rota

1Ary Nahômỳ dia nanana havana, lehilahy manan-karena be avy amin’ny fianakavian’i Elimelèka vadiny; ny anarany atao hoe Bôhaza.

2Ary hoy i Rota, vehivavy môabita, tamin’i Nahômỳ:

–Avelao aho handeha ho eny an-tanimbary mba hitsimpona salohim-bary eo aorian’izay olona ho tsara fanahy amiko!

Dia hoy izy taminy:

–Mandehana àry, anaka.

3Dia lasa i Rota ka nandeha nitsimpona teny an-tanimbary, teo aorian’ny mpijinja; ary sendra tao amin’ny tanimbary izay anjaran’i Bôhaza, fianakavian’i Elimelèka indrindra, no nandehanany.

4Taoriana kely dia indro tonga i Bôhaza avy tany Betlehema, ka niarahaba ny mpijinja hoe:

–Hiaraka aminareo anie ny TOMPO!

Dia novalian’ireo hoe:

–Hotahin’ny TOMPO anie ianao!

5Dia nanontany ilay mpanompony, sady lehiben’ny mpijinja, i Bôhaza nanao hoe:

–Mba iza io vehivavy tanora io?

6Dia namaly ilay mpanompo, lehiben’ny mpijinja, ka nanao hoe:

–Ilay vehivavy môabita io, izay niaraka tamin’i Nahômỳ fony izy niverina tany amin’ny faritr’i Môaba.

7Nangata-dalana izy mba hitsimpona sy hanangona salohim-bary eo aorian’ny mpijinja. Dia tonga izy ary naharitra niasa teto; hatramin’ny maraina ka mandraka izao, dia kely foana no nijanonany tetsy an-tranotomboka.

8Dia hoy i Bôhaza tamin’i Rota:

–Mba henoy ny torohevitro. Aza mandeha hitsimpona any an-tanimbary hafa, ary koa aza miala eto; fa mijanòna miaraka amin’ny vehivavy mpiasako.

9Jereo tsara ny tanimbary izay jinjain’ny mpanompoko, dia miaraha amin’ireo vehivavy mpitsimpona salohim-bary. Moa tsy efa nandidy ireo mpanompoko ve aho mba tsy hikasi-tanana anao akory? Ary rehefa mangetaheta ianao, dia mandehana misotro rano amin’ireo siny izay efa nofenoin’ireo mpanompoko.

10Dia niondrika sy niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’i Bôhaza i Rota sady niteny taminy hoe:

–Ahoana ianao no tsara fanahy amiko sy mitsinjo ahy, kanefa aho vahiny?

11Dia namaly i Bôhaza ka nanao taminy hoe:

–Efa notantaraina tsara tamiko avokoa izay nataonao tamin’ny rafozambavinao taorian’ny nahafatesan’ny vadinao; reko ny nandaozanao ny ray aman-dreninao sy ny tany nahabe anao ka nandehananao ho atỳ amin’ny firenena izay tsy mbola fantatrao akory taloha.

12Ny TOMPO anie hamaly soa ny nataonao, ka hisy valisoa mitafotafo ho anao avy amin’ny TOMPO Andriamanitr’Israely satria tonga hialoka eo ambany fiarovany ianao!

13Dia hoy i Rota hoe:

–Aoka ho tsara fanahy amiko hatrany ianao, tompoko, satria efa nampionona ahy ianao ary efa niteny ankamoram-po tamiko na dia tsy tahaka ny anankiray amin’ireo vehivavy mpiasanao aza aho.

14Ary tamin’ny fotoana fisakafoana, dia hoy i Bôhaza tamin’i Rota:

–Manatona atỳ hisakafo; makà tapa-mofo ary atsobohy ao anatin’ny lasôsy vinaingitra ny tapa-mofonao.

Dia nipetraka teo anilan’ny mpijinja i Rota; ary notoloran’i Bôhaza lango izy. Dia nihinana ka voky, sady mbola nisy sisa notehiriziny.

15Ary rehefa nitsangana hitsimpona salohim-bary izy, dia nandidy ny mpanompony kosa i Bôhaza nanao hoe:

–Avelao hitsimpona eny anelanelan’ireo amboara koa izy, fa aza tabainareo.

16Anasory mihitsy aza ny salohy sasany avy amin’ny amboara, dia ilaozy mba hotsimponiny, ka aza miteny azy akory.

17Dia nitsimpona teo an-tanimbarin’i Bôhaza i Rota mandra-paharivan’ny andro, ary noveleziny ny salohy izay voatsimpony ka nisy vary ôrza tokony ho iray kitapo kely.

18Dia nentiny izany ka nankany an-tanàna izy; nasehony an-drafozambaviny izay voatsimpony, sady navoakany koa ary nomeny azy ny sisa tsy laniny tamin’ny sakafony.

19Dia hoy ny rafozambaviny taminy:

–Taiza no nitsimponanao androany, ary taiza ho aiza no niasanao? Hotahin’Andriamanitra anie ilay olona nitsinjo anao!

Dia notantarain’i Rota tamin’ny rafozambaviny izay toerana sy olona niasany, ka hoy izy hoe:

–I Bôhaza no anaran’ilay lehilahy niasako androany.

20Dia hoy i Nahômỳ tamin’ny vinantovaviny:

–Ny TOMPO Izay tsy mitsahatra manao soa amintsika velona sy amin’ny maty anie hitahy azy!

Hoy kosa izy hoe:

–Io lehilahy io dia havana akaiky antsika, ka anisan’ireo mahavotra antsika.

21Dia hoy indray i Rota vehivavy môabita:

–Nomeny ny lalana koa aza aho mba hanohy hitsimpona eny aorian’ny mpanompony mandra-pahavitan’ny fijinjana rehetra.

22Dia hoy i Nahômỳ tamin’i Rota vinantovaviny:

–Tsara izany anaka, satria hivoaka miaraka amin’ireo vehivavy mpiasan’i Bôhaza ianao, fandrao hisy hikasi-tanana anao raha any amin’ny tanimbary hafa.

23Dia nandeha nitsimpona niaraka tamin’ireo vehivavy mpiasan’i Bôhaza i Rota mandra-pahavitan’ny fijinjana ny vary ôrza sy ny varimbazaha rehetra. Dia niara-nipetraka tamin’ny rafozambaviny hatrany izy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help