Jeremià 16 - Malagasy Bible

Manirery i Jeremià

1Ary nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:

2«Tsy hanam-bady ianao ary tsy hanan-janakalahy na zanakavavy eto amin’ity tany ity.

3Fa izao no lazaiko ny amin’ireo zanakalahy sy ireo zanakavavy izay ho teraka eto amin’ity tany ity ary koa ny amin’ny rainy sy reniny niteraka azy:

4Ho fahafatesana mahatsiravina no hahafatesany ka tsy hitomaniana na halevina izy fa hijanona ho toy ny zezika eo amin’ny velaran-tany. Haripaky ny ady sy ny mosary izy, ka ny fatiny ho sakafon’ny voromahery sy ny bibidia.»

5Izao koa no voalazan’ny TOMPO tamiko:

«Aza miditra amin’ny tranom-paty na manatrika fandevenana na mitsapa alahelo akory, fa efa nesoriko tamin’ity vahoaka ity ny fihavanako sy ny hatsaram-poko ary ny fangorahako; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

6Fa na mpanankarena na mahantra no maty amin’ity tany ity, dia tsy halevina na hitomaniana na hanehoana alahelo amin’ny fitetehan-tena na hiboriana volo.

7Tsy hisy hanome hanina ny fianakaviana misaona na hampionona azy, ary tsy hisy hampisotro amin’ny kaopy fampiononana izay maty ray na maty reny.

8«Aza miditra ao amin’ny trano misy fanasana koa ianao, na mipetraka hihinana sy hisotro miaraka amin’izay nasaina.

9Satria Izaho TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely no efa milaza hoe: ‹Indro hatsahatro amin’ity tany ity eo imasonareo sy amin’ny andronareo ny kotabam-pifaliana amin’ny fety sy ny horakora-piravoana ary ny hiran’ny mpanambady.›

10«Ary rehefa mampita izany hafatra izany amin’io vahoaka io ianao, ka hanontaniany hoe: ‹Nahoana ny TOMPO no namoaka izany teny mandoza lehibe izany hamelezana anay? Fa inona no heloka na fahadisoana nataonay tamin’ny TOMPO Andriamanitray?›

11Ny havalinao kosa dia hoe: ‹Satria nahafoy Ahy ny razanareo ka nifikitra tamin’ny andriamani-kafa ary nanompo azy sy niankohoka teo anatrehany. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Nahafoy Ahy izy ary tsy nitandrina ny lalànako.

12Ary ianareo koa vao mainka manao ratsy mihoatra noho ny razanareo aza, fa samy mikiribiby amin’ny ditram-pony avy, ka tsy mihaino Ahy.

13Noho izany dia horoahiko hiala amin’ity tany ity ianareo hankany amin’ny tany izay tsy fantatry ny tenanareo na ny razanareo. Any no hanompoanareo andriamani-kafa andro aman’alina, fa tsy hiantra anareo intsony Aho.› »

Ilay fodiana goavana

14Hoy ny teny hentitry ny TOMPO: «Ho avy ny andro izay tsy hanaovana fianianana intsony hoe: ‹Velona ny TOMPO Izay nanafaka ny Israelita hiala tany Ejipta, ka mianiana aho›,

15fa hoe: ‹Velona ny TOMPO Izay nanafaka ny Israelita avy any amin’ny tany avaratra sy avy any amin’ny tany hafa rehetra izay nandroahany azy, ka mianiana aho!› Eny, haveriko eo amin’ny taniny izay efa nomeko ny razany izy.»

Hofaizina ny meloka rehetra

16Hoy ny teny hentitry ny TOMPO: «Haniraka mpanarato maro Aho mba hanarato azy; avy eo dia haniraka mpihaza betsaka koa Aho mba hihaza azy eny amin’ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra ary hatrany an-tsefatsefaky ny harambato.

17Fa arahiko maso ny fitondrantenany rehetra ka tsy misy miafina amiko; eny, miharihary eo imasoko ny helony.

18Koa, ho fanombohana, dia hovaliako indroa heny ny helony sy ny fahadisoany satria nandoto ny taniko tamin’ireo fatin-tsampiny maharikoriko izy sady nameno ny anjara fananako tamin’ny andriamani-tsiizy mahatsiravina.»

Manaiky ilay tena Andriamanitra ny firenena rehetra

19–TOMPO ô, Ianao no heriko sady mpiaro ahy,

fialofako amin’ny androm-pahoriako.

Hankany aminao ireo firenen-kafa

avy any am-paran’ny tany

sady ho loa-bolana hoe:

«Tena fitaka ny fivavahana

izay nolovanay tamin’ny razanay,

fa tsinontsinona sady tsy mahasoa.

20Ny olona ve dia mahay manao

andriamanitra ho an’ny tenany?

Tsia, tsy Andriamanitra ireny.»

21–Hoy kosa ny TOMPO hoe:

«Koa amin’ity indray mandeha ity,

dia hampahafantariko azy

ny fahefàko sy ny heriko

ka ho fantany fa Izaho no TOMPO.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help