Jôba 25 - Malagasy Bible

Ny tenin’i Bildada:ny fahefàn’Andriamanitra amin’izao rehetra izao

1Niteny i Bildada avy any Soha ka nanao tamin’i Jôba hoe:

2An’Andriamanitra ny fanapahana

sy ny fahefana mahatahotra.

Izy no mampitoetra ny fiadanana

hatrany an-danitra ambony any.

3Moa azo isaina ny miaramilany?

Ary iza no tsy iposahan’ny fahazavany?

4Ahoana no hahamarina ny olombelona

eo anatrehan’Andriamanitra?

Ary ahoana no hahadio izay tera-behivavy?

5Indro ny volana aza matroka

ary ny kintana tsy madio eo imasony,

6mainka moa fa ny olombelona izay tsinontsinona

tahaka ny kankana aman’olitra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help