Isaià 32 - Malagasy Bible

Fanjakana filamatra

1Indro hisy mpanjaka iray hanjaka araka ny rariny;

ary ny mpanapaka hanapaka araka ny hitsiny.

2Samy toy ny fierena amin’ny tafio-drivotra izy

samy toy ny fialofana amin’ny oram-baratra,

samy toy ny sakeli-drano amin’ny tany karankaina

ary toy ny aloky ny harambato amin’ny tany ngazana.

3Tsy hikimpy intsony ny mason’ny mahiratra

ary hihaino tsara ny sofin’ny mandre.

4Ny olona dodona dia handinika mba hahalala;

ary ireo bada lela dia hiteny mazava sy mailamailaka.

5Ny adala tsy hatao intsony hoe

olona manan-toe-tsaina ambony;

ary ny fangoloka tsy holazaina hoe

olona malala-tanana.

6Ny adala miteny hadalana hatrany,

ary ny fony manomana heloka;

dia manatanteraka izany

tahaka ny tsy mpivavaka izy

ary koa miteny ratsy ny TOMPO.

Avelany hitofezaka ny noana

ary tsy ampisotroiny rano ny mangetaheta.

7Ny fangoloka kosa manana fitaovana ratsy,

mamorona teti-dratsy hamelezana ny malahelo

amin’ny filazana zavatra hosoka

rehefa mitaky ny hitsiny ny mahantra.

8Fa ny olona manan-toe-tsaina ambony

no afaka hihevitra tanjona ambony

sady tsy hirotsaka an-tsehatra

afa-tsy ho an’ny tanjona ambony.

Fampitandremana ho an’ny vehivavy ao Jerosalema

9Ry andriambavilanitra mitoredretra,

mitsangàna hihaino ahy,

ry tovovavy tsy rototra,

tandremo izay hambarako!

10Afaka herintaona mahery kely eo,

dia ho raiki-tahotra ianareo tsy rototra

satria hamono antoka ny fiotazam-boaloboka

ary tsy hisy vokatra hangonina intsony.

11Mangovita ianareo mitoredretra

matahora ianareo tsy rototra.

Esory avokoa ny fitafianareo,

ka lamba fisaonana no isikino.

12Aoka handondon-tratra ianareo;

malahelova amin’ny saha mahafinaritra

sy amin’ny voaloboka mahavokatra;

13malahelova amin’ny tanin’ny vahoakako

izay rakotry ny kirihitra tsilo;

eny, malahelova tokoa ianareo;

ny amin’ny korana fanao isan-trano

eto amin’ity tanàna revon-danonana ity.

14Nilaozana ny lapan’ny mpanjaka,

nangina ilay tanàna naresaka;

ny faritr’i Hôfela sy ny tilikambo fitiliana

dia nanjary toera-malalaka lalandava

izay fikarenjen’ny borikidia

sy firaofan’ny andiam-biby fiompy.

Ny fitsimbadihan-toe-draharaha

15Indray andro any, dia hatosaka

ny Fanahy avy amin’ny Tompo ao ambony;

ka hanjary saha mahavokatra ny taniefitra

ary ny saha mahavokatra hanana ny lanjan’ny ala.

16Honina any amin’ny taniefitra ny rariny

ary hanjaka ao amin’ny saha mahavokatra ny hitsiny.

17Fiadanana no ho vokatry ny hitsiny;

ary filaminana sy fandriampahalemana

no haterany hatrany hatrany.

18Ny vahoakako hitoetra ao amin’ny faritra miadana,

ao amin’ny fonenana misy fandriampahalemana

sy ao amin’ny fialan-tsasatra feno fitoniana.

19Amin’izay kosa ho ripaka ny ala noho ny havandra

ary harodana hilamaka tokoa ny tanàna.

20Kanefa ho sambatra ianareo

afaka mamafy eny amoron-drano na aiza na aiza

sady mamela ny omby sy ny boriky hiriaria!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help