Ezekiela 2 - Malagasy Bible

Andriamanitra maniraka an’i Ezekiela hankany amin’ny Israelita

1Ary hoy ilay feo tamiko: «Ry ilay taranak’olombelona, mitsangàna ianao fa hiteny aminao Aho.»

2Fa raha mbola niteny izany ilay feo, dia niditra tao amiko ny Fanahin’Andriamanitra ka nampitsangana ahy; dia nihaino Ilay niteny tamiko aho,

3ary nilazany hoe: «Ry ilay taranak’olombelona, maniraka anao Aho ho any amin’ireo Israelita, dia ireo andia-mpikomy izay efa nikomy tamiko; fa tahaka ireo razany ihany izy, ka tsy nitsahatra namadika Ahy.

4Ireo olona mafy loha sy be kirina ireo no anirahako anao, ka hitenenanao hoe: Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY.

5Koa na hihaino anao izy na tsy hihaino, satria vahoaka maditra, dia ho fantany fa misy mpaminany eo anivony.

6«Ary ianao, ry ilay taranak’olombelona, aza matahotra ny tenany na ny teniny. Hanohitra anao ireo, ka ho toy ny eo anivon’ny tsilo sy ny maingoka ianao; kanefa aza matahotra noho ny tenin’io vahoaka maditra io na mivadi-po noho ny fihetsiny.

7Fa avereno aminy ihany izay hambarako anao na hihaino izy na tsy hihaino noho ny di-dohany.

8«Ary ianao, ry ilay taranak’olombelona, aza miseho ho maditra tahaka ireo, fa henoy izay lazaiko aminao. Sokafy ny vavanao ka hano izay homeko anao.»

9Dia indro hitako nisy tanana iray nitsotra nanatona ahy sady nitana boky iray miendrika horonan-taratasy.

10Noborahany teo anatrehako izany, ka voasoratra ny lafiny roa. Fitarainana sy toloko ary toreo no voasoratra tao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help