Mikà 5 - Malagasy Bible

I Betlehema, tanindrazan’ilay mpanjaka hamonjy

1Dia hoy ny Tompo hoe:

«Ianao, ry Betlehema Efratà,

isan’ireo tanàna kely indrindra ao Joda ianao!

Kanefa avy aminao no hamoahako

ilay ho Mpanjaka an’i Israely.

Efa hatramin’ny fahagola no niandohany,

dia hatramin’ny andro taloha elabe.»

2–Noho izany, ny Tompo dia hanolotra ny vahoakany

amin’ny fahavalo

mandra-piavin’ny andro hahatera-dahy ny vehivavy iray;

ka izay sisa velona, amin’ireo rahalahiny

voasesi-tany,

dia hiverina ho any amin’ireo Israelita namany.

3Ary hitsangana hitondra ny vahoaka

izany mpanapaka nampanantenaina izany,

hombàn’ny hery sy heniky ny famirapiratana

avy amin’ny TOMPO Andriamaniny.

Dia handry feizay ny vahoakany,

satria ho lehibe hatrany am-paran’ny tany

izany mpanapaka izany:

4izy no hitondra fiadanana!

–Raha tonga hanafika ny tanintsika ny Asirianina

ka hitsofoka hatraty an-dapantsika,

dia hanangana mpitari-tafika marobe hamelezana azy isika.

5Ary handresy amin’ny sabatra sy lefom-pohy

ireo mpitari-tafika ireo

ka hifehy an’i Asiria, tanin’i Nimrôda.

Izany mpanapaka izany mihitsy

no hanafaka antsika amin’ny Asirianina

izay hihoatra sisitany

ka ho tonga hanafika ny tanintsika.

Ireo sisa velona amin’i Israely eo anivon’ny firenen-kafa

6Amin’izay ny sisa velona amin’ny taranak’i Jakôba,

eo anivon’ny vahoaka marobe,

dia ho tahaka ny ando avy amin’ny TOMPO

sy ho tahaka ny ranonorana latsaka amin’ny ahitra;

ka tsy olombelona fa Andriamanitra

no antenainy sy iankinany.

7Amin’izay, ny sisa velona amin’ny taranak’i Jakôba,

eo anivon’ny vahoaka marobe any amin’ny firenen-kafa,

dia ho tahaka ny liona

mihaza amin’ny biby anaty ala

sy ho tahaka ny liona tanora

mihaza amin’ny andian’ondry;

rehefa mandalo ny liona,

dia manosihosy sy mamiravira,

ka tsy misy afaka mamonjy.

8Dia toy izany koa,

aoka ny tananareo hiainga hamely izay manohitra anareo

ary aoka ho ringana avokoa ny fahavalonareo!

Hofoanan’ny Tompo ireo fialofana sandoka rehetra

9Ary hoy ny TOMPO hoe:

«Izao no ho tonga amin’izany andro izany.

Haringako tsy ho eo afovoanareo ny soavalinareo,

ary holevoniko ny kalesinareo.

10Horavako ny tanàna eo amin’ny taninareo,

ary harodako avokoa ny mandanareo.

11Hofoanako tsy ho eo an-tanànanareo

ny fanaovana ody ratsy

ary tsy hisy eo aminareo intsony ny mpanandro.

12Hofoanako tsy ho eo afovoanareo intsony

ny sampinareo sy ny tsangambaton-tsampinareo,

ka tsy hiankohoka amin’ny zavatra

izay nataon’ny tananareo intsony ianareo.

13Hongotako tsy ho eo afovoanareo

ny tsatokazo ho an’i Aserà

ary hofongorako ireo sampinareo.

14Fahatezerana mirehitra mafy

no hanatanterahako valifaty

amin’ny firenena izay tsy nihaino Ahy.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help