Jeremià 18 - Malagasy Bible

I Jeremià tao amin’ny mpanefy tanimanga

1Nisy baiko avy amin’ny TOMPO ho an’i Jeremià nanao hoe:

2–Mitsangàna, ary midîna any an-tranon’ny mpanefy tanimanga, fa any no hampandrenesako anao ny teniko.

3Dia nidina tao an-tranon’ny mpanefy tanimanga aho, ka indro izy nanao ny asany teo ambony kodia fanodinana.

4Ary raha simba ny vilany ataony fa mety hitranga amin’ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy ihany izany, dia anaovany vilany hafa indray iny araka izay tiany hanaovana azy.

5Dia nanafatra ahy ny TOMPO hoe:

6«Moa tsy afaka manao aminareo toy izay ataon’ity mpanefy tanimanga ity va Aho, ry olon’i Israely, hoy ny fanontaniana hentitra avy amiko TOMPO? Indro eo an-tanako ianareo, tahaka ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy azy.

7Indraindray dia milaza ny hanongotra sy hanjera ary handrava firenena iray na fanjakana iray Aho.

8Nefa raha miala amin’ny ratsy izay nahatonga ny fandrahonako izy, dia hiova hevitra amin’ny loza izay nokasaiko hamelezana azy Aho.

9Ary indraindray dia milaza ny hanorina sy hamboly firenena iray na fanjakana iray Aho.

10Nefa raha manao izay ratsy eo imasoko izy ka tsy mihaino ny feoko, dia hiova hevitra Aho amin’ny soa izay nampanantenaiko hatao aminy.

11«Ankehitriny, ry Jeremià, mitenena amin’ny olon’i Joda sy ny mponin’i Jerosalema, ka ambarao aminy hoe: ‹Izao no lazain’ny TOMPO: Indro efa namolavola loza hamelezana anareo Aho, ary eo am-panomanana ny tetika hampiharana izany. Koa samia miala amin’ny fitondrantena ratsy avy ianareo ary ovay ho tsara ny fitondrantenanareo sy ny asanareo.› »

12Kanjo nifikitra tamin’ny ditram-pony sy ny firehan-dratsiny izy ka namaly hoe: «Mamoiza! Izay efa tapakay ihany no hataonay.»

Hadinon’i Israely ny Tompony

13Noho izany dia izao no lazain’ny TOMPO:

Mba anontanio ange any amin’ny firenen-kafa

raha mba nisy nandrenesana zavatra toy izao!

Zava-mahatsiravina loatra ity nataon’i Israely.

14Moa ve ny harambato eny an-tsaha

mba ilaozan’ny oram-panalan’i Libano?

Moa mba efa ritra ve ny rano

izay mikoriana mangatsiatsiaka

avy any an-tany hafa any? Tsia.

15Fa ny vahoakako kosa nanadino Ahy,

ka nandoro zava-manitra mifangaro

tamin’ireo sampy tsinontsinona

izay nandavo azy teny an-dalany

mba hialany amin’ny lalana mahazatra

ary nampandeha azy tamin’ny lalan-kely

izay mbola tsy voasoritra akory.

16Io vahoakako io no nahatonga ny taniny

hampahonena sy hampivarahontsana mandrakizay.

Ka ny olona rehetra mandalo azy

dia mivanàka sady mihifikifi-doha.

17Tahaka ny vovoka tsofin’ny rivotra

avy any atsinanana

no hampielezako ny vahoakako

eo anoloan’ny fahavalony.

Amin’ny androm-pahavoazany

dia hiambohoako izy fa tsy hatrehiko!

Ny fiokoana tamin’i Jeremià sy ny vavaka nataony

18Dia hoy ny olona hoe: «Andeha isika hanao tetika hamelezana an’i Jeremià, fa tsy ho foana akory ny mpisorona hanome fampianarana, na ny olon-kendry hanolo-tsaina na ny mpaminany hampita ny tenin’Andriamanitra. Andeha hasiantsika amin’ny fanalam-baràka izy, ka tsy horaharahaintsika akory izay lazainy.»

19TOMPO ô, hevero tsara ny amiko

ary henoy ny tenin’ireo miampanga ahy.

20Moa tokony hovaliana ratsy ve ny soa?

Nefa izy manomana fandrika hamely ahy

Ianao kosa, ry Tompo, aoka hahatsiaro

fa nitsangana nitaraina teo anatrehanao aho

mba hialan’ny fahatezeranao taminy.

21Noho izany, avelao ny zanany

ho fatin’ny mosary;

ary ny tenan’ireo mpiampanga ahy

poteho amin’ny sabatra.

Aoka ny vadiny ho maty anaka

sy ho tonga mpitondratena.

Aoka ny lehilahy lehibe

haripaky ny areti-mandringana

ary ny zatovony ho faty an’ady.

22Aoka ny fidradradradrana

no ho re avy ao an-tranony,

rehefa hataonao tonga tampoka

ny andia-miaramila hamely azy!

Fa namela-pandrika hisamborana ahy izy

sy nanafina harato haningorana ny tongotro.

23TOMPO ô, fantatrao avokoa ny teti-dratsy

nokotrehiny hamonoana ahy ho faty.

Ka aza avelanao ny helony

ary aza kosehinao ny hadisoany.

Aoka ho lavo eo anatrehanao izy,

ary asio amin’ny androm-pahatezeranao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help