Salamo 122 - Malagasy Bible

SALAMO Firariam-piadanana ho an’i Jerosalema

1 Hira fiakarana. Nataon’i Davida.

Faly aho raha nilazan’ireo namako hoe:

«Andeha isika ho any an-tranon’ny TOMPO!»

2He ny tongotray efa mijadona

eto am-bavahadinao, ry Jerosalema.

3Ianao, ry Jerosalema, dia voaorina

ho tanàna miray sady mirindra.

4Ao ireo fokon’i Israely,

dia ireo fokon’ny TOMPO,

no miakatra hidera ny TOMPO:

fepetra ho an’i Israely izany.

5Ao no ijoroan’ny sezafiandrianam-pitsarana,

dia ny sezafiandrianan’ny taranak’i Davida.

6Mangataha fiadanana ho an’i Jerosalema:

«Fanambinana anie ho an’ireo mpitia anao!

7Fiadanana anie ho ao amin’ireo mandanao!

Fanambinana anie ho ao amin’ireo lapanao!

8Noho ireo mpiray firenena amiko sy ireo sakaizako,

aoka aho hiteny hoe: Fiadanana anie ho ao aminao;

9noho ny tranon’ny TOMPO Andriamanitray,

avelao aho hirary soa ho anao!»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help