Josoa 4 - Malagasy Bible

Ny vato 12 natao tsangambato ho fahatsiarovana(Jereo Jos 3.10-17; Mik 6.5; Sal 78.2-8)

1Rehefa tafita an’i Jôrdàna avokoa ny firenena manontolo, dia hoy ny TOMPO tamin’i Josoa:

2–Mifidiana 12 lahy, iray avy isaky ny foko,

3ka omeo baiko hoe: «Ndeha ianareo maka vato 12 eo afovoan’i Jôrdàna, eo amin’ny toerana izay nijoroan’ny mpisorona, dia ento miaraka aminareo ny vato ka apetraho eo amin’ny toerana hitobianareo anio alina.»

4Dia nantsoin’i Josoa izy 12 lahy voafidiny teo amin’ny Israelita

5ka nilazany hoe:

–Mandalova eo anoloan’ny Vatamasin’ny TOMPO Andriamanitrareo, dia mandehana eo afovoan’i Jôrdàna ka samia manainga vato iray ho eny an-tsorony, araka ny isan’ireo foko israelita.

6Ireo vato ireo dia ho famantarana eo anivonareo; koa any aoriana any ianareo, rehefa hanontanian’ny zanakareo ny anton’ireo vato,

7dia hamaly hoe: «Tapaka ny ranon’i Jôrdàna noho ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO. Eny raha nita an’i Jôrdàna ny Vatamasina; dia tapaka ny rano; ary ireo vato ireo dia hahatsiarovana mandrakizay izany zava-mahagaga izany eo amin’ny Israelita.»

8Dia nanao araka izay nandidian’i Josoa azy ny olona voatendry ka naka vato 12 teo afovoan’i Jôrdàna, araka izay nolazain’ny TOMPO tamin’i Josoa sy araka ny isan’ny foko israelita. Ireo vato ireo dia nentiny niaraka taminy ho eo amin’ny toerana izay nitobiany tamin’iny alina iny ka napetrany teo.

9Ary i Josoa dia nampanangana vato 12 ihany koa teo afovoan’i Jôrdàna, teo amin’ny toerana izay nijoroan’ny mpisorona nitondra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanana; ary mbola ao ihany ireo vato ireo mandraka androany.

10Ny mpisorona nitondra ny Vatamasina kosa dia nijoro teo afovoan’i Jôrdàna ambara-pahatanteraky ny teny rehetra izay nodidian’ny TOMPO holazain’i Josoa amin’ny vahoaka, araka izay rehetra efa nandidian’i Mosesy an’i Josoa. Dia nita faingana ny vahoaka;

11ary rehefa tafita avokoa ireo dia nandeha ho eny alohany indray ny mpisorona miaraka amin’ny Vatamasin’ny TOMPO.

12Ireo lehilahy mirongo fiadiana, avy amin’ny fokon’i Reobena sy fokon’i Gada ary antsasa-pokon’i Manase, dia nita teo alohan’ny Israelita sisa hafa, araka izay efa nolazain’i Mosesy taminy.

13Tokony ho efatra alina ireo miaramila vonon-kiady no nita an’i Jôrdàna teo anatrehan’ny TOMPO ho any amin’ny tany lemak’i Jerikao.

14Tamin’izany andro izany, dia nohamafisin’ny TOMPO teo imason’ny Israelita rehetra ny fahefàn’i Josoa; koa nohajaina tahaka ny nanajana an’i Mosesy izy nandritra ny andro rehetra niainany.

15Taorian’izany, dia hoy ny Tompo tamin’i Josoa:

16–Omeo baiko ireo mpisorona mpitondra ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana mba hiakatra avy tao Jôrdàna.

17Dia nomen’i Josoa baiko ry zareo mba hiakatra avy tao.

18Ary niakatra ireo mpisorona nitondra ny Vatamasina; ka raha vao nigadona teo an-tanety ny tongony, dia niverina tamin’ny laoniny indray ny ranon’i Jôrdàna ary nihoatra ny morony rehetra toy ny teo aloha.

19Ny andro fahafolon’ny volana voalohany no nitàn’ny vahoaka israelita an’i Jôrdàna, ary nitobiany tao Gilgala teo atsinanan’i Jerikao.

20Dia nasain’i Josoa natsangana tao Gilgala ireo vato 12 nalaina tao Jôrdàna;

21avy eo dia hoy izy tamin’ny vahoaka israelita:

–Any aoriana any, rehefa hanontanian’ny zanakareo ny anton’ireto vato ireto ianareo,

22dia izao no hampahafantarinareo azy: «Nandia tany maina isika Israelita fahizany raha nita io Jôrdàna io.

23Eny, nataon’ny TOMPO Andriamanitrareo maina ny falehan’ny ranon’i Jôrdàna teo anoloantsika mandra-pitantsika, tahaka izay nataony tamin’ny Ranomasin’ny Volotara teo anoloan’ny razantsika mandra-pitany.»

24Izany no hahafantaran’ny firenena rehetra ambonin’ny tany fa lehibe ny herin’ny TOMPO, ary hanajanareo mandrakizay ny TOMPO Andriamanitrareo!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help