1 Salamo nataon’ny terak’i Kôra. Tononkira.
Teo an-tendrombohitra masina
no nanorenan’ny TOMPO an’i Jerosalema.
2Tiany tokoa ny tanànan’i Tsiôna
mihoatra noho ny toerana rehetra
izay nonenan’ireo taranak’i Jakôba.
3Ry ilay tanànan’Andriamanitra ô,
zava-malaza no ambarany momba anao:
Fiatoana
4«Eo anatrehan’ireo mpahalala Ahy, hoy Izy,
no hotsarovako fa ny Ejiptianina sy ny Babilônianina
mbamin’ny Filistinina sy ny Tirianina ary ny Etiôpianina
dia samy teraka tany amin’ny taniny avy.
5Izao kosa no holazaiko momba an’i Tsiôna:
Ny olona tsirairay dia samy teraka tao;
Ilay Avo Indrindra mihitsy
no manamafy orina azy.»
6Ny TOMPO manao lisitra ireo firenena
ka manoratra ny isam-batan’olona hoe:
«Ity dia teraka tao Tsiôna.»
Fiatoana
7Ireo kosa mandihy sy mihira hoe:
«Ao Tsiôna no loharano
ipoiran’ny fitahiana rehetra ho anay.»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.