1Misy rantsana misandrahaka avy amin’ny fototr’i Jisay;
misy solofo mipoitra avy amin’ny fakany.
2Ny Fanahin’ny TOMPO no mitoetra eo aminy,
dia Fanahy manome fahendrena sy fahaiza-manavaka
Fanahy mahay mamolavola sy manatanteraka,
Fanahy ahalalana sy anajana ny TOMPO;
3ary io no hanoro azy ny fanajana ny TOMPO.
Tsy hitsara araka ny ivelany fotsiny izy
na hanapaka araka izay ren’ny sofiny,
4fa hitsara ny malahelo ara-drariny
ary hamoaka didy araka ny hitsiny
ho an’ny mahantra eo amin’ny tany.
Ny teniny no toy ny tsorakazo
hikapohany ny tany
ary ny fofonain’ny vavany
no hamonoany ny olon-dratsy.
5Ny rariny no ho fisikinany
ary ny toetra hentitra no ho fehikibony.
6Koa ny amboadia hiara-mipetraka amin’ny zanak’ondry,
ny leôparda hiara-mandry amin’ny zanak’osy;
ny zanak’omby sy ny liona tanora hiara-mihinana
ka zazalahy kely no hitarika azy.
7Ny ombivavy sy ny orsavavy hiara-miraoka;
ary ny zanak’izy ireo hiara-matory.
Hihinam-bilona toy ny omby ny liona.
8Ny zaza mbola minono
hilalao eo an-davaky ny bibilava;
ary ny zaza misara-nono
hanatsofoka ny tanany
ao an-davaky ny menarana.
9Tsy hisy hanimba na handratra
manerana ny tendrombohitra masina,
satria ny fahalalana ny TOMPO
no hanenika izany tany izany
tahaka ny anaronan’ny rano
ny fanambanin’ny ranomasina.
10Amin’izany andro izany ny solofon’i Jisay
dia hatsangana ho fanevan’ny firenena rehetra;
ka hitady azy ny firenen-kafa,
ary hanjary be voninahitra ny fonenany.
Ny fiverenan’ireo voasesitany11Amin’izany andro izany ny Tompo
dia haninjitra ny tanany indray
mba hanavotra izay sisa velona amin’ny vahoakany,
dia izay sisa velona avy any Asiria,
avy any Ejipta ambany sy ambony ary avy any Etiôpia,
avy any Helama sy Babilônia ary avy any Hamata
na avy amin’ireo tany amoron-dranomasina.
12Hanangana faneva ny Tompo
mba hahafantaran’ny hafa firenena
fa hamory ireo sesitany tamin’i Israely Izy
ary hanangona ireo niely patrana tamin’i Joda
avy any amin’ny vazan-tany efatra.
13Hitsahatra ny fialonan’i Efraîma
ary ho foana ny fankahalàn’i Joda:
i Efraîma tsy hialona an’i Joda intsony
ary i Joda tsy hankahala an’i Efraîma intsony.
14Dia hiara-kirohotra hiankandrefana
eny amin’ny havoan’ny Filistinina izy roa tonta
ary handeha hiantsinanana
handroba ny foko any an-taniefitra,
ka hanitatra ny fahefàny amin’i Edôma sy i Môaba
ary hametraka ny Hamônita ho eo ambany fifehezany.
15Handritra ny helo-dranomasin’i Ejipta ny TOMPO;
haninji-tanana handrahona ny ony Eofrata Izy,
ka ny rivo-mahery avy aminy no hizaràny azy
hisampantsampana ho sakeli-drano fito
izay ho azo diavin-tongotra tsy miala kapa.
16Hisy lalana ho an’ny sisa velona amin’ny vahoakany,
dia izay sisa velona avy any Asiria,
tahaka izay niseho fahiny tamin’i Israely
fony izy niakatra avy tany Ejipta.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.