Hamôsa 1 - Malagasy Bible

1Tenin’i Hamôsa izay anankiray tamin’ireo mpiompy tao Tekôa. Roa taona talohan’ny horohorontany, dia fahitana no nahafantarany an’ireo teny manakiana ny fanjakan’i Israely ireo, fony mpanjaka tao Joda i Hozià ary mpanjaka tao Israely i Jerôbohama zanakalahin’i Jôasy.

2Hoy i Hamôsa hoe:

Avy ao Tsiôna ny TOMPO no manerona

ary avy ao Jerosalema Izy no manandra-peo.

Dia malahelo ny saha fiandrasana biby fiompy

ary maina ny tampon’i Karmela.

Ny fanakianan’ny Tompo an’i Israely sy ireo firenena manodidina azy. (Ny Sirianina)

3Izao no lazain’ny TOMPO:

«Fahotana mifanesy no vitan’ny mponin’i Damasy,

fa indrindra ity anankiray ity:

Novakivakîny tamin’ny hersa vy ny mponin’i Gilehada.

Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy:

4«Handefasako afo ny lapan’i Hazaela mpanjaka,

ka ho levon’izany koa ny trano-fiarovan’i Bena-Hadada mpanjaka.

5Hopotehiko ny hidim-bavahadin’i Damasy;

haringako ny mponina ao an-dohasahan-keloka

sy ilay mpitana tehim-panjakana ao an-dapam-pilibana;

ary ny vahoakan’i Siria ho lasan-ko babo any Kira.

Izaho Tompo no miteny.»

(Ny Filistinina)

6Izao no lazain’ny TOMPO:

«Fahotana mifanesy no vitan’ny mponin’i Gazà,

fa indrindra ity anankiray ity:

nentiny ho babo avokoa ny iray tanàna manontolo

mba hatolony ho an’ny Edômita.

Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy:

7Handefasako afo ny tanànan’i Gazà

ka ho levon’izany ireo lapany.

8Dia haringako ny mponina ao Asdôda

sy ilay mpitana tehim-panjakana ao Askelôna;

ary hahodiko hamely an’i Hekrôna ny tanako

ka ho faty izay sisa amin’ny Filistinina.

Izaho Tompo ANDRIANANAHARY no miteny.»

(Ny Fenisianina)

9Izao no lazain’ny TOMPO:

«Fahotana mifanesy no vitan’ny mponin’i Tiro,

fa indrindra ity anankiray ity:

Natolony ho babo ho an’ny Edômita avokoa

ny iray tanàna manontolo,

fa tsy notsarovany ny fanekem-pirahalahiana

nataony tamin’i Israely.

Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy.

10Handefasako afo ny tanànan’i Tiro

ka ho levon’izany ireo lapany.»

(Ny Edômita)

11Izao no lazain’ny TOMPO:

«Fahotana mifanesy no vitan’ny mponin’i Edôma,

fa indrindra ity anankiray ity:

Nenjehiny hotrobarana sabatra ny Israelita rahalahiny

sady tsy nananany antra akory;

tsy nisy fetra ny fahatezerany namiravira,

ary nitahiry lolom-po mandrakariva izy.

Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy:

12Handefasako afo ny tanànan’i Temàna

ka ho levon’izany koa ireo lapa ao Bôtserà.»

(Ny Hamônita)

13Izao no lazain’ny TOMPO:

«Fahotana mifanesy no vitan’ny Hamônita,

fa indrindra ity anankiray ity:

Notatahany ny kibon’ireo bevohòka tao Gilehada

mba hanitarana faritany.

Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy:

14Handefasako afo ny tanànan’i Rabà

ka ho levon’izany ireo lapany;

sady hisy akoran’ady amin’ny andro iadiana

ka hahery vaika toy ny tafio-drivotra ny fifamelezana.

15Ho lasan-ko babo ilay mpanjakany

sy ireo manamboninahitra miaraka aminy.

Izaho Tompo no miteny.»

(Ny Môabita)

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help