Ezekiela 4 - Malagasy Bible

I Ezekiela sy ny fahiranon’i Jerosalema

1Dia nampian’ny Tompo hoe: «Ry ilay taranak’olombelona, makà takela-tanimanga iray ianao ary apetraho eo anatrehanao; dia manaova sarin-tanàna eo aminy hoenti-maneho an’i Jerosalema.

2Asehoy fa voan’ny fahirano izy amin’ny fametrahana hady fanafihana sy tovon-tany ary tobim-pamelezana sy kanontabe manodidina azy.

3Makà takela-by ka apetraho izany ho toy ny manda manelanelana anao sy ny tanàna. Banjino tsara ny tanàna: voan’ny fahirano izy izao, ary ianao no manao fahirano azy. Izany dia ho marika fampitandremana ho an’ny taranak’i Israely.

4«Dia mandria ilika amin’ny ilanao havia ianao; fa araka ny haharetanao amin’izany fomba fandry izany no hivesaranao ny fahotan’ny fanjakàn’i Israely, fa ianao no hivesatra azy.

5Ferako hitovy isa amin’ny taona nanotan’i Israely no hanaovanao izany. Koa ho 390 andro no hivesaranao ny fahotany.

6Rehefa mifarana izany fotoana izany, dia mivadiha ianao handry amin’ny ilanao havanana; ka mandritra ny efapolo andro no hivesaranao ny fahotan’ny fanjakàn’i Joda. Ferako ho andro iray isaky ny taona iray nanotany no hanaovanao izany.

7Aorian’izany dia banjino i Jerosalema voafahirano; ary ahinjiro manandrify azy ny sandrinao mihanjaka, ka lazao ny hafatra avy amiko hamelezana io tanàna io.

8Ary hafatotro ianao mandritra ny fanaovanao fahirano mba tsy hahafahanao mivadibadika.

9Koa makà varimbazaha sy ôrza, tsaramaso sy voanemba ary ampemby sy vary henjana, dia ampifangaroy anaty vilia iray ireo mba hanaovanao mofo. Izany no ho sakafonao mandritra ny 390 andro izay handrianao amin’ny ilanao.

10Fahefa-kilao isan’andro no sakafo hohaninao: ataovy ampy anao izany ambara-pahatongan’ny andro manaraka.

11Ferana ho iray litatra isan’andro koa ny rano hosotroinao.

12Hatao miendrika mofo ôrza ny sakafonao, ka dikin’olona no hataonao kitay hanendasanao azy eo imason’ny besinimaro.»

13Dia mbola nampian’ny TOMPO hoe:

–Ho tahaka izany no hihinanan’ny Israelita sakafo maloto any amin’ny tanin’ny firenen-kafa izay handroahako azy.

14Dia namaly aho hoe:

–Adray, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, tsy mbola voaloto mihitsy aho! Hatramin’ny fahazazako ka mandraka ankehitriny dia tsy mbola nihinana biby maty ho azy na voaviraviran’ny bibidia aho, ary tsy mbola nikasika ny vavako akory ny hena heverina ho maloto.

15Ka hoy ny Tompo tamiko:

–Raha izany àry, dia tain’omby no omeko anao ho solon’ny dikin’olona; ka izany no hataonao kitay hanendasanao ny mofonao.

16Ary hoy indray ny Tompo tamiko:

–Ry ilay taranak’olombelona, hitanao izao fa hosimbako ny tahiri-mofon’i Jerosalema. Tsy maintsy hametra mafy ny hanina sy ny fisotrony ny olona, ka ho azom-panahiana amin’izany.

17Tsy hanana mofo sy rano ny olona, ka hivarahontsana sy hihalevona noho ny fahotany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help