Isaià 24 - Malagasy Bible

Simba tanteraka ny tany manontolo

1Indro ny TOMPO fa hanimba ny tany

ka handrava azy;

havadiny ambony ambany izy

ary haeliny ny mponina eo aminy.

2Koa hitovy ihany ny hanjo

ny mpisorona sy ny vahoaka,

ny tompolahy sy ny mpanompolahiny,

ny tompovavy sy ny mpanompovaviny,

ny mpivarotra sy ny mpividy,

ny mpampindrana sy ny mpindrana

ny mpampisambo-bola sy ny mpisambo-bola.

3Ho simba sy ho rava tanteraka ny tany.

Fa izao teny izao no nambaran’ny TOMPO:

4«Misaona sy malazo ny tany,

milofika sy malazo izao tontolo izao,

milofika miaraka amin’ny tany koa

ny habakabaka any ambony any.»

5Ny tany dia voaloton’ny mponina ao aminy

fa nandika ny lalànan’ny Tompo ireny,

tsy nanaraka ny fitsipika

fa nivadika tamin’ny fanekempihavanana

izay maharitra mandrakizay.

6Koa levon’ny ozon’Andriamanitra ny tany;

ary mitondra fahoriana ny mponina eo aminy

noho ny heloka nataony;

hihena ireo ka vitsy dia vitsy no ho tavela.

7Misaona ny divay vaovao

fa milofika ny rantsam-boaloboka,

misento avokoa ireo mpifalifaly am-po.

8Nitsahatra ny gadona firavoana amin’amponga,

nijanona ny horakorak’ireo mpanao korana,

nitsahatra koa ny feo fifaliana amin-dokanga.

9Tsy misy divay hosotroina intsony

ka foana ny hirahira;

mangidy mbamin’ny toaka

eo am-bavan’ny mpisotro.

10Rava ilay tanàna feno zava-poana;

mihidy ny trano rehetra ka tsy azo idirana.

11Mitaraina ny olona eny an-dalam-be

fa tsy misy intsony ny divay;

nanjavona ny firavoravoana rehetra

ary tsy nisy fifaliana intsony teo amin’ny tany.

12Zava-mampahonena sisa no tao an-tanàna,

rava sy montsamontsana ny vavahady!

13Ny eto ambonin’ny tany sy eo anivon’ireo firenena

dia ho tahaka ny ôliva avy nahintsana

sy ho tahaka ny voaloboka avy notazana

ka tsy ahitana zavatra firy intsony.

Mandihy tsy afa-tavony

14Izay sisa velona no manandratra ny feony

ka mihoby ny fahalehibiazan’ny TOMPO;

avy any andrefana any izy ireo

no manao horakora-pifaliana hoe:

15«Aoka homem-boninahitra ny TOMPO

any amin’ny faritra atsinanana!

Ilay TOMPO Andriamanitr’i Israely,

aoka homem-boninahitra ny anarany

eny amin’ny tany amoron-dranomasina!»

16Hatrany am-paran’ny tany

no andrenesanay hira hoe:

«Voninahitra anie ho an’Ilay Marina!»

Fa hoy kosa aho anakampoko hoe:

«Vita ny amiko, vita ny amiko.»

Lozan’ireo mpamadika!

Mamadika tokoa ny mpamadika;

eny, mamadika hatrany izy.

17Fampihorohoroana sy longoa ary fandrika harato

no miandry anareo, ry mponina eto an-tany.

18Koa izay mandositra ny kiakiaka

vokatry ny fampihorohoroana,

dia ho latsaka ao anatin’ny longoa;

ary izay tafakatra avy ao amin’ny longoa

dia ho voan’ny fandrika harato.

Misokatra ny hidin-drano any ambony,

ka mihozongozona ny fanorenan’ny tany.

19Vakivaky ny tany ary tena mitresaka;

voadona mafy izy ka mihotsaka.

20Mivembena toy ny mamo ny tany

ary mihevingevina toy ny tranobongo,

fa mitambesatra aminy ny heloka vitany

ka potraka izy ary tsy afa-miarina intsony.

Fanombohan’ny fanjakan’Andriamanitra

21Amin’izany andro izany, dia hirotsaka an-tsehatra any ambony any ny TOMPO ka hamely ny andian’ireo planeta aman-kintana; ary hirotsaka an-tsehatra etỳ an-tany koa Izy ka hamely ny mpanjakan’ny tany.

22Hangonina ho ao an-davaka toy ny gadra avokoa ireny, ka hohidiana an-tranomaizina; ary rehefa ela ny ela, dia hiseho fitsarana izy rehetra.

23Amin’izay noho ny henatra

dia hivoaramena ny volana

ary hivaloarika ny masoandro;

fa ny TOMPOn’izao rehetra izao

no hanjaka ao Jerosalema,

eo an-tendrombohitra Tsiôna,

sady hamirapira-boninahitra

eo anatrehan’ireo loholony.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help