1 Tantara 23 - Malagasy Bible

Tsinjarain’i Davida ny raharahan’ny levita

1Nony efa tratrantitra sy voky andro i Davida, dia i Salômôna zanany lahy no nataony mpanjaka tamin’i Israely.

2Novoriny koa ny lehibe rehetra tamin’i Israely mbamin’ny mpisorona sy ny levita.

3Natao fanisana tsirairay ireo vatan-dehilahy levita, hatramin’ny telopolo taona no ho miakatra, ka 38 000 no isany.

4Ary hoy i Davida hoe: ny 24 000 amin’ireo ho tonian’ny asa fanorenana ny tranon’ny TOMPO; ny enina arivo ho mpitantsoratra sy ho mpitsara;

5ny efatra arivo ho mpiandry varavarana; ary ny efatra arivo ho mpidera ny TOMPO amin’ny zava-maneno namboariko hiderana Azy.

6Natsitokotokon’i Davida koa ny levita, araka ny ifandraisany amin’ireo zanakalahin’i Levỳ: dia i Gersôna sy i Kehata ary i Merarỳ.

7Ny avy amin’i Gersôna: i Lahadàna sy i Simehỳ no zanakalahin’i Gersôna.

8Telo no zanakalahin’i Lahadàna: voalohany i Jehiela, avy eo i Zetama sy i Jôela.

9Telo no zanakalahin’i Simehỳ: dia i Selômita sy i Haziela ary i Haràna, izay samy nanjary lohany tamin’ireo fianakaviana avy amin’i Lahadàna.

10Ary mbola nisy efatra koa ny zanakalahin’i Simehỳ, dia i Jahata sy i Zizà ary i Jehosa sy i Berihà; ireo indray no zanakalahin’i Simehỳ:

11ka i Jahata no voalohany, i Zizà no faharoa; fa i Jehisa sy i Berihà kosa vitsy zanakalahy, ka nisaina mitambatra ho fianakaviana iray.

12Ny zanakalahin’i Kehata dia efatra: i Hamrama sy i Jitsehara ary i Hebrôna sy i Hoziela.

13Ny zanakalahin’i Hamrama dia i Aharôna sy i Mosesy. I Aharôna mbamin’ny taranany no natokana hatrany mba hanao fanompoana ao amin’ny Toeramasina indrindra

: ka himasoany lalandava ny handoro zava-manitra eo anatrehan’ny TOMPO sy ny hanao fanompoam-pivavahana ary ny hitsodrano amin’ny anaran’ny Tompo.

14I Mosesy dia lehilahin’Andriamanitra; natao ho anisan’ny fokon’i Levỳ kosa ny zanakalahiny,

15dia i Gersôma sy i Elihezera.

16Tamin’ny zanakalahin’i Gersôma dia i Sobaela no loham-pianakaviana.

17Tamin’ireo zanak’i Elihezera dia i Rehabià no loham-pianakaviana, sady tsy nanan-janakalahy hafa i Elihezera; kanefa maro dia maro ny zanakalahin’i Rehabià.

18Tamin’ny zanakalahin’i Jitsehara dia i Selomôta no loham-pianakaviana.

19Ny zanakalahin’i Hebrôna dia i Jerià no lahimatoa, i Amarià no lahiaivo, i Jahaziela no fahatelo, ary i Jekamehama no fahefatra.

20Ny zanakalahin’i Hoziela dia i Mikà no lahimatoa ary i Jisià no faralahy.

21Ny zanakalahin’i Merarỳ dia i Mahilỳ sy i Mosỳ. Ny zanakalahin’i Mahilỳ dia i Elehazara sy i Kisy.

22Maty tsy nitera-dahy i Elehazara fa vavy avokoa ny zaza navelany: ary dia nalain’ny zanakalahin’i Kisy rahalahin-drainy ho vady ireo.

23Telo ny zanakalahin’i Mosỳ: dia i Mahilỳ sy i Hedera ary i Jeremôta.

24Ireo rehetra ireo no taranak’i Levỳ, izay samy lohany teo amin’ny fianakaviany avy, araka ny nanisana azy sy nanoratana anarana azy tsirairay: nanao ny asa fanompoana tao an-tranon’ny TOMPO ireo, nanomboka hatreo amin’ny roapolo taona no ho miakatra.

25Hoy manko i Davida hoe: «Ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely dia efa nanome fandriampahalemana ho an’ny vahoakany, sady honina mandrakizay eto Jerosalema;

26koa ny levita dia tsy hitondra ny Tranolay fihaonana sy ny fanaka rehetra fanaovana fanompoana momba izany intsony.»

27Araka ny faratenin’i Davida no nanisana ny levita, nanomboka hatreo amin’ny roapolo taona no ho miakatra.

28Manolo-tena izy ireo hobaikoin’ny taranak’i Aharôna ny amin’ny fanompoana ao an-tranon’ny TOMPO na momba ireo kianja aman’efitrano izany na momba ny fanadiovana ireo fitaovana masina rehetra. Ny raharaha mifandray amin’ny fanompoana ny tranon’Andriamanitra dia ireto:

29mamboatra ny mofo apetraka eo anatrehan’Andriamanitra, manomana ny lafarinina tsara indrindra hatao fanatitra, mahandro ny mofo manify tsy misy leviora sy ny mofo endasina amin’ny lapoaly ary ny mofo hafa isan-karazany, manamarina ny famarana sy fandrefesana rehetra.

30Adidin’ny levita ny mihoby sy midera ny TOMPO isa-marain-tsy hariva

31ary koa isaky ny misy sorona dorana manontolo atolotra ny TOMPO na amin’ny sabata na amin’ny andro voalohan’ny volana na amin’ny fankalazana hafa. Araka ny isa naraikitra hanaovana lalandava ireny raharaha ireny no hanatontosan’ny levita azy eo anatrehan’ny TOMPO.

32Mbola azy koa no miambina ny Tranolay fihaonana sy ny Toeramasina; fa an’ny taranak’i Aharôna rahalahiny kosa ny manao ny fanompoana ao an-tranon’ny TOMPO.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help