1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hampiarahina amin’ny valiha torifolo
. Salamo nataon’i Davida.2Mba vonjeo re, TOMPO ô,
fa miharingana ny mpivavaka marina;
ary dia tsy misy intsony
ny olona azo itokiana.
3Lainga hatrany no ifampilazana:
ny teny mandoka fa ny fo tsy azo antoka.
4Hofoanan’ny TOMPO avokoa anie
ny mpandoka sy ireo avo vava,
5dia ireo izay manambara hoe:
«Ny filàzanay no handresenay lahatra;
hainay ny miteny, ka tsisy atahoranay!»
6Hoy kosa ny TOMPO hoe:
«Hirotsaka an-tsehatra Aho izao
noho ireo mahantra ampahorîna
sy ireo malahelo mitaraina;
hovonjeko ireo voavingavinga.»
7 Madio ny tenin’ny TOMPO:
toa volafotsy voarendrika
tamin’ny memy anaty tany
ka voadio impito miantoana.
8TOMPO ô, mitana ny teninao Ianao
ka hiambina anay mandrakariva
tsy ho azon’ny karazan’olona toy izany,
9na dia mihaodihaody aminay aza
ireny ratsy fanahy ireny
ary na dia mihalò hatrany aza
ny toetran’ny olombelona.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.