2 Mpanjaka 14 - Malagasy Bible

I Amatsià mpanjakan’i Joda(Jereo 2 Tan 25.1-4, 11-12, 17-28; 26.1-2)

1Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Jôasy zanakalahin’i Jôahaza sady mpanjakan’i Israely no tonga mpanjakan’i Joda i Amatsià zanakalahin’i Jôasy;

2feno 25 taona izy tamin’izay, ary naharitra 29 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Jôhadàna, izay avy ao Jerosalema ihany.

3Nanao izay mahitsy eo imason’ny TOMPO izy, nefa tsy dia tahaka an’i Davida razambeny, fa nanahaka an’i Jôasy rainy.

4Tsy mba nofoanany ireo toeram-panasinana ka mbola nanao sorona sy nandoro azy hanetona teny ihany ny olona.

5Rehefa nohamafisin’i Amatsià ny fahefàm-panjakany, dia nasainy novonoina ho faty ireoo manamboninahitra izay nahafaty an’i Jôasy mpanjaka rainy.

6Kanefa ny zanakalahin’ireto mpamono an’i Jôasy dia tsy mba novonoin’i Amatsià ho faty, fa nataony araka izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalànan’i Mosesy; ao manko no nandidian’ny TOMPO hoe: «Ny ray aman-dreny tsy hatao maty noho ny fahotan-janany, na ny zanaka noho ny fahotan’ny ray aman-dreny, fa ny olona dia hatao maty noho ny fahotan’ny tenany ihany».

7I Amatsià koa no nahafaty miaramila edômita antokony folo tao amin’ny Lohasahan-Tsira tamin’ny ady nandrombahany ny tanànan’i Sela, izay lasa hoe Jôkteela, anarany mandraka ankehitriny.

8Tamin’izay i Amatsià dia nandefa iraka tany amin’i Jôasy zanakalahin’i Jôahaza sady zafikelin’i Jehò mba hilaza aminy hoe: «Avia hifanandrina an’ady isika»

9Fa i Jôasy mpanjakan’i Israely dia nandefa iraka tany amin’i Amatsià mpanjakan’i Joda hamaly azy hoe: «Ny kirihitra tsilo izay tany Libano, hono, dia nandefa iraka tany amin’ny sedera izay tany Libano mba hiangavy azy hoe: ‹Omeo ho vadin’ny zanako lahy ny zanakao vavy›; kanjo nisy bibidian’i Libano namaky teo ka nanosihosy ny kirihitra tsilo.

10Ary hoy ihany i Jôasy: «Satria efa resinao ny Edômita, ka dia nirehareha ny fonao; aoka hahafa-po anao izany voninahitra izany ka mitoera ao an-tranonao ihany! Fa nahoana ianao no mitady loza izay hahavoa ny tenanao sy ny tafik’i Joda manontolo?»

11Kanefa tsy nanaiky i Amatsià. Koa dia niakatra hiady i Jôasy mpanjakan’i Israely avaratra; ka ny tafiny sy ny an’i Amatsià mpanjakan’i Joda dia nifanandrina tao Bety-Semesy tanànan’i Joda.

12Resin’ny tafik’i Israely ny tafik’i Joda; ka samy nandositra ho any an-tranony avy ny miaramila jodeanina.

13Tao Bety-Semesy no voasambotr’i Jôasy mpanjakan’i Israely i Amatsià mpanjakan’i Joda sy zanakalahin’i Jôasy ary zafikelin’i Ahazià; ary dia nankany Jerosalema i Jôasy ka nandravany tokony ho roanjato metatra ny mandan’ny tanàna teo anelanelan’ny vavahadin’i Efraîma sy ny vavahadin’ny Zoro.

14Dia nalainy avokoa ny volamena sy ny volafotsy ary ny zava-tsarobidy izay hita tao an-tranon’ny TOMPO sy tao amin’ny raki-tsoan’ny lapan’ny mpanjaka; ary nisy ihany koa olona nalainy ho takalon’aina. Izay izy vao niverina nankany Samaria.

15Ny sisa tamin’ny tantaran’i Jôasy ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony sy ny herimpo nasehony ary ny ady nifanaovany tamin’i Amatsià mpanjakan’i Joda, dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Israely.

16Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany i Jôasy, dia nalevina tao amin’ny fasan’ny mpanjakan’i Israely tao Samaria; ary i Jerôbohama zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

17Taorian’ny nahafatesan’i Jôasy mpanjakan’i Israely, dia mbola naharitra 15 taona i Amatsià mpanjakan’i Joda.

18Ny sisa amin’ny tantaran’i Amatsià dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Joda.

19Ary tao Jerosalema dia nisy olona nikomy tamin’i Amatsià, ka nahatonga azy nandositra tany Lakisy; fa nampanaraka azy anefa ireto mpikomy ka nampamono azy ho faty tany an-toerana.

20Dia nampodina an-kalesy tarihin-tsoavaly tany Jerosalema ny fatiny ka nalevina tao amin’ny fasam-pianakaviana tao an-Tanànan’i Davida.

21Vao 16 taona i Hazarià no nalain’ny vahoaka Jodeanina rehetra ka notendreny ho mpanjaka handimby an’i Amatsià rainy.

22Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany kosa ity rainy, dia i Hazarià no namerina ny seranana Elata ho an’ny fanjakan’i Joda sy nanamboatra azy indray.

I Jerôbohama II, mpanjakan’i Israely

23Tamin’ny taona faha-15 nanjakan’i Amatsià, zanakalahin’i Jôasy sady mpanjakan’i Joda, no tonga mpanjakan’i Israely tao Samaria i Jerôbohama zanakalahin’i Jôasy, ary naharitra 41 taona no nanjakany tao.

24Nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO izy, satria tsy nialany ny fahotana rehetra izay nitarihan’i Jerôbohama zanakalahin’i Nebata ireo Israelita.

25Izy no namerina indray ny tanin’i Israely hatreo Lebô-Hamata any avaratra ka hatrany amin’ny Ranomasina Maty any atsimo araka ny nambaran’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely tamin’ny alalan’i Jônà mpaminany zanakalahin’i Amitahy avy any Gata-Hefera.

26Fa hitan’ny TOMPO ny havesatry ny fahorian’i Israely satria tsy nisy olona afa-namonjy azy na andevo izany na olona afaka.

27Tsy mbola nilaza ny hamono ny anaran’i Israely tsy ho eo ambanin’ny lanitra anefa ny TOMPO; koa dia tamin’ny alalan’i Jerôbohama zanakalahin’i Jôasy no namonjeny azy.

28Ny sisa tamin’ny tantaran’i Jerôbohama ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony sy ny herimpo nasehony tamin’ny ady namerenany indray tamin’i Israely ny tanànan’i Damasy sy i Hamata izay an’i Joda fahiny, dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Israely.

29Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany i Jerôbohama, dia nalevina tao amin’ny fasan’ny mpanjakan’i Israely tao Samaria; ary i Zakarià zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help