2 Jôhany Sava lalana - Malagasy Bible

Sava lalana Ny mpanoratra dia milaza ny tenany ho loholona fotsiny; kanefa ny fomba fiteniny dia mampiharihary fa manam-pahefana sy to teny tokoa Izy eo amin’ireo anoratany. Ny taratasiny dia ho an’«ilay Andriambavy voafidin’Andriamanitra sy ho an’ireo zanany»: izany dia toa manondro Fiangonana amin’ny toerana na faritra anankiray mbamin’ireo kristianina ao aminy (and 1).

Mampirisika ireo mpamaky sy mpihaino ny mpanoratra mba hiaina araka ny hafatra marim-pototra sy ny fitiavana (1-6), sady mampitandrina azy koa eo anoloan’ny olona mampiely hevi-diso (7-11). Ny amaranany ny taratasiny dia filazana ny fahatongavany hitsidika sy fampitana ny famangian’ny Fiangonana rahavavy misy azy (12-13).

Tahaka ny hita ao amin’ny taratasy voalohany avy amin’i Jôhany dia manainga ireo mpihaino na mpamaky azy koa ny mpanoratra ity taratasy ity mba hitandrin-tena sady haharitra ao amin’ny finoana marina.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help