Zakarià 1 - Malagasy Bible

NY FAHITAN’I ZAKARIAMiantso ny Israelita hiverina aminy ny Tompo

1Tamin’ny volana fahavalon’ny taona faharoa nanjakan’i Dariôsa dia nisy tenin’ny TOMPO tamin’i Zakarià mpaminany zanakalahin’i Berekià sady zafikelin’i Hidào.

2Ary nasain’ny TOMPO nilaza izany tamin’ny Israelita i Zakarià nanao hoe: «Izaho TOMPO dia tezitra mafy tamin’ny razanareo.

3Kanefa hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao hoe: Miverena amiko ianareo, dia mba hiverina aminareo Aho. Izaho TOMPOn’izao rehetra izao no manao izany teny hentitra izany.

4Aza manahaka ny razanareo. Fa efa nantsoin’ny mpaminany fahiny tamin’ny anarako ireo mba hiala amin’ny toetra sy ny asa ratsiny, kanefa tsy nety nihaino sy nankato Ahy. Izaho TOMPOn’izao rehetra izao no manao izany teny hentitra izany.

5Fantatrareo fa tsy eo intsony ny razanareo ary tsy velona eo mandrakizay ny mpaminany.

6Nefa ny teny sy ny didy izay nomeko ny mpaminany mpanompoko dia mba nandresy lahatra ny razanareo ihany; ka niala tamin’ny ratsy izy ary niaiky fa Izaho TOMPOn’izao rehetra izao no efa nitondra azy araka izay notapahiko, dia araka izay sahaza ny toetrany sy ny asany.»

Fahitana voalohany: ny soavaly

7Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariôsa, fony andro faha-24 tamin’ny volana faha-11 na volana Sebata, dia nisy hafatry ny TOMPO tamin’i Zakarià mpaminany, zanakalahin’i Berekià sady zafikelin’i Hidao; ka toy izao no fitantaràn’i Zakarià izany:

8Alina no nahitako fa indro nisy lehilahy mitaingin-tsoavaly mena ka nijanona teo anivon’ny hazo mirta teny an-dohasaha lalina; ary teo aoriany nisy soavaly mena sy sadamena ary fotsy sy mainty.

9Dia nanontaniako izy hoe: «Tompoko, inona moa no dikan’ireo soavaly ireo?» Dia hoy ny navalin’ilay anjely niresaka tamiko: «Hohazavaiko anao ny amin’ireo.»

10Ary ilay lehilahy nijanona teo anivon’ny hazo mirta dia niteny hoe: «Nirahin’ny TOMPO ireo mba hitety ny tany.»

11Dia namaly ilay anjelin’ny TOMPO ireo mpitaingin-tsoavaly ka nanao hoe: «Efa notetezinay ny tany manontolo, ka hitanay fa milamina sy mandry feizay.»

12Dia hoy ilay anjely hoe: «Ry TOMPOn’izao rehetra izao ô, indro fitopolo taona izao no nirehetan’ny fahatezeranao tamin’i Jerosalema sy tamin’ny tanàna hafa ao Joda. Mandra-pahoviana no mbola tsy hamindranao fo amin’izy ireo?»

13Ary teny mahafinaritra sy mampionona no nataon’ny TOMPO tamin’ilay anjely niresaka tamiko.

Hifidy indray an’i Jerosalema ny Tompo

14Ary ilay anjely izay niresaka tamiko dia nandidy ahy hanambara hoe:

«Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao:

‹Miredaredam-pitiavana an’i Jerosalema

sy ny tendrombohitra Tsiôna Aho,

15kanefa kosa mirehi-pahatezerana mafy

amin’ireo firenen-kafa matoky tena loatra;

satria fony Aho mbola tezitra kely tamin’i Israely,

no nampitombo fahoriana azy kosa ireo.

16Koa Izaho TOMPOn’izao rehetra izao dia milaza hoe:

Haneho indrafo no iverenako eto Jerosalema.

Ho voaorina eto indray ny tranoko;

ary ho voavoatra indray ny tanàna.›

Izaho TOMPOn’izao rehetra izao

dia miteny hentitra ny amin’izany. »

17Avy eo ilay anjely dia nandidy ahy hanambara koa hoe:

«Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao:

Mbola hihoa-pampana indray

ny fanambinana ireo tanànako;

sady Izaho TOMPO mihitsy

no mbola hampionona an’i Tsiôna indray

ary mbola hifidy an’i Jerosalema indray.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help