Salamo 3 - Malagasy Bible

SALAMO Voahodidim-pahavalo

1 Salamo nataon’i Davida, fony izy nandositra an’i Absalôma zanany lahy .

2TOMPO ô, akory ity hamaroan’ny fahavaloko!

Maro loatra ny olona mitsangan-kanohitra ahy;

3maro loatra ny milaza momba ahy hoe:

«Tsy manam-pamonjena amin’Andriamanitra izy!»

Fiatoana

4Nefa Ianao, TOMPO ô, no ampinga miaro ahy;

Ianao no voninahitro sy mampitraka ahy.

5Raha miantso vonjy amin’ny TOMPO aho,

dia valiany avy ao an-tendrombohiny masina.

Fiatoana

6Matory aho ka renoka, dia mifoha,

satria ny TOMPO no manohana ahy.

7Tsy atahorako ny olona alinalina

izay manemitra mba hamely ahy.

8Ry TOMPO Andriamanitro ô,

midira an-tsehatra hamonjy ahy.

Hasianao tehamaina ny fahavaloko rehetra,

ka dia raraka ny nifin’ireo olon-dratsy.

9TOMPO ô, Ianao no hany afaka mamonjy.

Ho amin’ny vahoakanao anie ny fitahianao!

Fiatoana

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help