1 Hira fiakarana.
Fony nampody ny babo tamin’i Tsiôna ny TOMPO,
dia ohatra ny nanonofinofy isika.
2Tonga feno hehy isika
sady feno fihobiana.
Tamin’izany ireo hafa firenena dia loa-bolana hoe:
«Zava-dehibe no nataon’ny TOMPO taminy!»
3Eny, zava-dehibe no nataon’ny TOMPO tamintsika
ka faly tokoa isika!
4Avereno ho firenena matanjaka izahay, TOMPO ô,
toy ny anondrahan’ny ranotrambo an’i Negeba.
5Izay mamafy amin-dranomaso
no hijinja amim-pihobiana.
6Eny tokoa, mandroso no tomany
mivesatra ny voa hafafy;
fa nony miverina, feno fihobiana
mivesatra ny amboaram-bokatra.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.