Salamo 102 - Malagasy Bible

SALAMO Fahoriana lalina sy fanantenana

1 Vavaky ny ory, rehefa trotraka izy ka mamboraka ny tarainany amin’ny TOMPO.

2TOMPO ô, mba henoy vavaka aho;

aoka ho tonga any aminao ny tarainako!

3Aza lavinao ny hijery ahy

amin’ny androm-pahoriako.

Anongilano sofina aho ka valio faingana

amin’ny andro iantsoako vonjy aminao.

4Fa levona toy ny setroka ny androm-piainako,

ary kila toy ny tapa-porohana ny faraheriko.

5Toy ny ahitra voakapa ny foko ka malazo;

hadinoko mbamin’ny homan-kanina aza.

6Reraka noho ny fisentoako aho,

ka taolana sisa no mipetaka amin’ny hoditro.

7Sahala amin’ny vorondreo any an-taniefitra aho

ary tahaka ny vorondolo an-tanàna aolo.

8Tsy mahita tory aho, fa mitoloko

tahaka ny voro-manirery eny an-tafontrano.

9Tontolo andro aho latsaim-pahavalo

sady iozonany amin-karomotana.

10Lavenona no toy ny sakafo hohaniko,

haroiko ranomaso ny zavatra sotroiko.

11Noho ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao,

dia ningainao aho ka natsipinao lavitra.

12Toy ny fandroson’ny aloka ny androm-piainako;

ary mihamalazo toy ny ahitra ny tenako.

13Ianao kosa, TOMPO ô, manjaka mandrakizay

ary maharitra hatrany hatrany ny lazanao.

14Hirotsaka an-tsehatra Ianao

ka hamindrafo amin’i Tsiôna,

fa tonga ny fotoana hiantranao azy;

eny, izao no fotoana mety amin’izany.

15Fa sitrakay mpanomponao i Tsiôna,

na dia rava aza ny rari-vatony;

ary mampangorakoraka anay izy,

na dia voarodana zary vovotany aza.

16Aoka ny firenen-kafa rehetra

haneho fanajana ny TOMPO;

ary aoka hiaiky Azy be voninahitra

ny mpanjaka rehetra eto an-tany!

17Fa rehefa hanangana indray an’i Tsiôna IZY

ka hiseho miharihary amim-boninahitra,

18dia hitodika ny vavak’ireo norobaina

ary tsy hanositosika ny fangatahany.

19Soraty izany ho an’ny taranaka any aoriana

ka hidera ny Tompo ireo vahoaka mbola ho ary.

20Avy any an-Toeramasiny any ambony ny TOMPO

no miondrika mba hijery;

avy any an-danitra any Izy

no nitazana an’ity tany ity,

21ka nihaino ny tarainan’ireo voafonja

sy namaha ny fatoran’ireo voaheloka ho faty.

22Dia hambara ao Tsiôna ny lazan’ny TOMPO

ary hohiraina ao Jerosalema ny fiderana Azy,

23rehefa ho tafaray ao ireo vahoaka sy ireo fanjakana

mba hanao fanompoam-pivavahana ho an’ny TOMPO.

24Mbola teo antsasa-dalam-piainako aho, Tompo ô,

no nahenanao ny heriko ary nohafohezinao ny androko.

25Ka hoy aho hoe: «Andriamanitra ô, aza alainao

eny antenatenan’ny androm-piainako aho;

fa ny taonanao tsy mba ho tapitra rahoviana.»

26Fahiny elabe no nanorenanao ny tany

sy nanamboaranao ny lanitra.

27Mbola ho levona ireo

fa Ianao kosa maharitra.

Mihatonta toy ny fitafiana ireo;

hosoloanao toa akanjo, dia voasolo;

28fa Ianao kosa tsy mba miova

ary ny taonanao tsy mba hifarana.

29Ny zanakay hiorim-ponenana feizay

ary ny taranakay hateza eo anatrehanao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help