Isaià 55 - Malagasy Bible

Tongava na tsy manam-bola aza

1He! Ianareo rehetra izay mangetaheta,

mankanesa amin’ny rano omeko!

Na dia tsy manam-bola aza ianareo,

avia maka sakafo, dia mihinàna

fa tsy ialam-bola izany;

avia maka divay na ronono,

fa tsy vidina izany.

2Nahoana ianareo no mandany vola

amin’izay sakafo tsy tena mahavoky?

Nahoana ianareo no misahirana

amin’ny zavatra tsy mahafa-po?

Henoy tsara Aho, dia hihinan-javatra matsiro ianareo

ary ho finaritra amin’ny sakafo mafilotra.

3Mankanesa atỳ amiko ianareo, ka manongilàna sofina;

henoy Aho, dia ho velombelona indray ny tenanareo.

Hanaovako fanekempihavanana mandrakizay ianareo

ka homeko ny fitahiana nampanantenaiko an’i Davida:

4Indro izy fa nataoko vavolombelon’ny fahefàko

eo amin’ny foko isan-tokony

sady ho mpitarika sy mpibaiko ny hafa firenena.

5Ary ianao koa, ry Israely,

dia hiantso ny firenena hafa izay tsy fantatrao;

ary firenen-kafa tsy mahalala anao akory

no hirohotra hanatona anao,

satria ny TOMPO Andriamanitrao, Ilay Masin’i Israely,

no nanome anao izany voninahitra izany.

Hohamarinin’ny Tompo ny teny fikasany

6Tadiavo ny TOMPO, dieny mbola manaiky ho hita,

antsoy Izy, dieny mbola akaiky anareo.

7Aoka ny olon-dratsy handao ny fanaony,

ary ny mpanao ratsy hahafoy ny heviny.

Aoka hiverina amin’ny TOMPO ireny

fa hamindra fo aminy Izy.

Aoka hiverina amin’Andriamanitsika ireny

fa hihoa-pampana ny famelan-keloka homeny azy.

8Teny hentitry ny TOMPO izao:

«Ny hevitro tsy hevitrareo

ary ny lalanareo tsy mba lalako.

9Tahaka ny haavon’ny lanitra amin’ny tany

no haavon’ny lalako amin’ny lalanareo

sy ny hevitro amin’ny hevitrareo.

10Ny ranonorana sy oram-panala

milatsaka avy any an-danitra

dia tsy miverina any raha tsy efa mahavonto ny tany

sy mahalonaka azy ary mampahavokatra azy

ka mampahazo masomboly hafafy sy hanin-kohanina;

11dia ho tahaka izany koa ny teny aloaky ny vavako:

tsy hiveri-maina foana atỳ amiko izy,

raha tsy efa nahatanteraka izay sitrako

sy nahatratra ny tanjona nanirahako azy.

12Fa amim-pifaliana no hialanareo eto Babilôna

ary amim-piadanana no hampodîna anareo.

Ny tendrombohitra sy ny havoana

dia hihorakora-pifaliana rehefa mandalo ianareo,

ary ny hazo rehetra any an-tsaha hiteha-tanana.

13Ny hazo kipreso no haniry ho solon’ny tsilo,

ary ny rotra no haniry ho solon’ny amiana.

Ho voninahitra ho an’ny TOMPO izany,

ka ho famantarana tsy hokosehina na oviana na oviana

ny amin’izay nataony ho anareo.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help