Salamo 80 - Malagasy Bible

SALAMO Vavaka ho fanarenana ny firenena

1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hampiarahina amin’ny gitara. Salamo fahatsiarovana nataon’i Asafa

.

2Ry Mpiandry an’i Israely ô, mba mihainoa anay,

Ianao Izay mitarika ny taranak’i Jôsefa toy ny andian’ondry;

Ianao Izay mipetraka eo ambony kerobima

, mba misehoa.

3Eo anatrehan’i Efraîma sy i Benjamîna ary i Manase,

fohazy ny herinao ka tongava hamonjy anay.

4Ry Andriamanitr’izao rehetra izao ô,

mba avereno ho firenena matanjaka izahay;

aoka hijery anay amin-kamorampo Ianao,

dia ho voavonjy izahay!

5Ry TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao ô,

mandra-pahoviana no hotezeranao izahay

ho setrin’ny vavakay vahoakanao?

6Alahelo no zary sakafo afahanao anay,

ranomaso mandriaka no ampisotroinao anay.

7Ataonao ho fanarabin’ireo firenen-kafa

izay mpifanila aminay izahay

sy ho fihomehezan’ny fahavalonay.

8Ry Andriamanitr’izao rehetra izao ô,

mba avereno ho firenena matanjaka izahay;

aoka hijery anay amin-kamorampo Ianao,

dia ho voavonjy izahay!

9Namindra voaloboka iray avy any Ejipta Ianao

ary nandroaka firenen-kafa mba hambolena azy;

10nodiovinao ny tany teo anoloany,

koa namaka lalina izy ary nameno ny tany.

11Ny alokalony naharakotra ny tendrombohitra any atsimo

ary ny rantsany nananika ny sedera goavana any Libano;

12nampisandrahaka ny rantsany

hatrany an-dranomasina any andrefana izy,

ary nampihanaka ny sakeliny

hatrany amin’ny ony any atsinanana.

13Nahoana àry no dia noravanao

ny fefy manodidina an’ilay voalobokao,

ka mioty azy ny mpandalo rehetra?

14Manimba azy toa lambo avy any an’ala ireo

ary tonga miraoka azy toa bibidia.

15Ry Andriamanitr’izao rehetra izao ô, mba miverena;

tsinjovy avy any an-danitra ka jereo

ary karakarao ilay voalobokao:

16arovy ilay zana-kazo nambolenao,

ilay solofo nohatanjahinao ho Anao.

17Aoka ho levon’ny fandrahonanao

ireo fahavalo nanjera sy nandoro!

18Aoka homban’ny fiarovanao ilay vahoaka voafidinao,

dia ilay firenena nohatanjahinao ho Anao!

19Amin’izay dia tsy handao Anao intsony izahay;

Ianao no hamelona anay indray ary hivavahanay.

20Ry TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao ô,

mba avereno ho firenena matanjaka izahay;

aoka hijery anay amin-kamorampo Ianao,

dia ho voavonjy izahay!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help