1Tamin’izany andro izany no nilazan’ny TOMPO tamiko hoe: «Manamboara takela-bato anankiroa tahaka ny teo, ary manaova koa vatahazo anankiray; dia miakara ho atỳ amiko atỳ an-tendrombohitra.
2Hosoratako amin’ireo takela-bato ireo ny didy voasoratra tamin’ny takela-bato nomontsaninao; ka hataonao ao anatin’ny vata ireo takela-bato ireo.»
3Dia nanao vata tamin’ny hazo akasia aho sy nanamboatra takela-bato anankiroa tahaka ny teo, ary niakatra tao an-tendrombohitra ka nitondra ny takela-bato anankiroa teny an-tanako.
4Dia nosoratan’ny TOMPO teo amin’ireo takela-bato ireo izay voasoratra tamin’ny takela-bato teo aloha, dia ny didy folo nampitain’ny TOMPO taminareo; tao an-tendrombohitra, avy tao anatin’ny afo, no nilazany an’ireny taminareo fony ianareo vory ho fivondronambe; dia nomen’ny TOMPO ahy ireo takela-bato ireo.
5Nihodina aho ka nidina niala teo amin’ny tendrombohitra; ary napetraka tao anatin’ilay vata efa nataoko ireo takela-bato ireo, ka dia mbola ao ihany araka izay nandidian’ny TOMPO ahy.
6(Niainga teo amin’ny fantsakan’i Benè-Jahakàna ny Israelita ka nankany Môserà. Tao no nahafatesan’i Aharôna sy nandevenana azy; ary i Elehazara zanany no tonga mpisorona nandimby azy.
7Nony niala teo ny Israelita, dia nankany Godgôdà; avy eo nankany Jôtbatà, faritra be lohasahan-driaka.
8Tamin’izay ny fokon’i Levỳ no natokan’ny TOMPO hanao ireto raharaha ireto: hitondra ny vata mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO; hitoetra eo anatrehan’ny TOMPO; hanao fanompoam-pivavahana aminy; hanome tsodrano amin’ny anarany. Mbola ataon’ny levîta ireo raharaha ireo mandraka androany.
9Izany no tsy ananan’ny levîta zaratany na anjara eo amin’ny Israelita namany; fa ny TOMPO no anjarany, araka izay nampanantenain’ny TOMPO Andriamanitrareo taminy.)
10Efapolo andro sy efapolo alina tahaka ny teo aloha ihany no nitoerako tany an-tendrombohitra; ary mbola nihaino ahy koa ny TOMPO tamin’ity indray maka ity, ka tsy sitrany hofongorana ianareo.
11Dia hoy ny TOMPO tamiko: «Miaingà, ndeha mialoha lalana ny vahoaka; aoka ireo hiditra haka ny tany, izay nianianako tamin’ny razambeny homena azy!».
Ilay lalàna miorina amin’ny fitiavana sy ny fanekena12Ary ankehitriny, ry Israelita, inona moa no andrandrain’ny TOMPO Andriamanitrareo aminareo, afa-tsy ny hanajanareo AZY sy ny hizoranareo amin’ny lalana rehetra soritany ary ny hitiavanareo sy hanompoanareo AZY amin’ny fonareo manontolo sy amin’ny fanahinareo manontolo.
13Andrandrain’ny TOMPO aminareo ny hitandremanareo ny didy aman-dalàny, izay ampitaiko aminareo anio mba hahasambatra anareo.
14Indro fa an’ny TOMPO Andriamanitrareo ny lanitra midadasika ary ny tany mbamin’izay rehetra eo aminy.
15Kanefa ny razambenareo ihany no niraiketan’ny TOMPO hotiavina ka nifidianany anareo taranany mihoatra noho ny firenena hafa rehetra, araka izao hitanareo anio izao.
16Noho izany, aoka ny fonareo ho voatokana tanteraka ho an’ny TOMPO, fa aza mafy hatoka intsony ianareo.
17Ilay TOMPO Andriamanitrareo no Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon’ny tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra, tsy mba mizaha tavan’olona na mandray kolikoly;
18manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena Izy, sady tia ny vahiny ka manome azy hanina sy fitafiana.
19Koa tiavo ny vahiny eo aminareo, fa efa mba vahiny tany Ejipta ianareo.
20Ilay TOMPO Andriamanitrareo no hohajainareo, Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo, ary ny anarany no hianiananareo.
21Izy no fidèranareo, Izy no Andriamanitrareo, dia Ilay nanao ho anareo ireny zavatra lehibe sy mahatahotra efa hitan’ny masonareo ireny.
22Olona fitopolo ny razambenareo no nidina tany Ejipta; ankehitriny kosa efa nataon’ny TOMPO Andriamanitrareo maro tahaka ny kintana eny ana habakabaka ianareo.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.