Jeremià 5 - Malagasy Bible

Tanàna efa lò tanteraka (Ny Tompo)

1Mandehana mivezivezy

eny an-dalamben’i Jerosalema ianareo;

dia jereo tsara sy hadihadio,

tadiavo eny amin’ny toera-malalaka

raha mahita olona anankiray

manao ny mahitsy sy ny rariny ianareo;

fa raha mahita anankiray monja ianareo

dia havelako ny helok’i Jerosalema.

(Jeremià)

2Rehefa manao fianianana ny mponina, dia manao hoe:

«Velona ny TOMPO, ka mianiana aho...»;

nefa tsy marina akory ny fianianany.

3TOMPO ô, moa tsy ny toe-panahy mahatoky ve

no zavatra andrandrainao?

Nokapohinao ny mponin’i Jerosalema,

nefa tsy nahoany akory izany.

Saika hofarananao ny aminy,

nefa tsy nino anatra izy.

Fa mafy loha toy ny vato izy,

ka tsy nety niverina taminao.

4Dia hoy aho anakampo hoe:

«Momba ireo olona mahantra ihany izany;

tsy misaina loatra izy ireny

ka tsy mahalala ny sori-dalan’ny TOMPO

na izay fitsipik’ilay Andriamaniny.

5Fa handeha hiteny amin’ireo olo-maventy aho;

ireny izao no mahalala ny sori-dalan’ny TOMPO,

dia izay fitsipik’ilay Andriamaniny.»

Kinanjo mitovy ihany izy rehetra:

samy efa nanapaka zioga

sy nanito ny fatorany amin’Andriamanitra.

6Noho izany dia hivoaka hamely azy

avy ao amin’ny kirihitr’ala ny liona;

ary handrotidrotika azy

eny an-tsaha ny amboadia.

Ny leôparda hamitsaka eo akaikin’ny tanànany

ka hamiravira izay rehetra mivoaka avy ao,

satria nohamaroiny ny fahadisoany

ary tsy hita isa ny fiodinany.

(Ny Tompo)

7Ry Jerosalema ô,

ahoana moa no hamelako ny helokao?

Ny zanakao efa nandao Ahy

ka nianiana tamin’ny andriamani-tsiizy.

Novokisako tamin’izay nilainy izy

nefa nanitsakitsa-bady ihany,

ka nirohotra ho amin’ny fijangajangana.

8Toa soavaly mpikarenjy tsara fahana izy,

ka samy nandeha mitrentrena

tamin’ny vadin’ny namany avy.

9Koa tsy hirotsaka an-tsehatra

hamely ireny olona ireny ve Aho,

ka hamaly faty ny firenena toy izany,

hoy ny teny hentitry ny TOMPO?

10Iakaro ka simbasimbao

ny tanimboalobony manao ambaratonga;

nefa aza potehina tanteraka!

Esory ny rantsam-boaloboka

satria tsy an’ny Tompo ireny.

11Fa efa nivadika tamiko mihitsy

na ny fanjakan’i Joda na ny fanjakan’i Israely,

hoy ny teny hentitry ny TOMPO.

Ny vokatry ny nandaozana ny Tompo

12Nandà ny Tompo ny vahoakan’i Joda,

ka nilaza hoe: «Tsy misy ny TOMPO;

tsy hahatratra antsika ny loza

sady tsy hahita ady na mosary isika.»

13Tsinontsinona ihany ireo mpaminaniny,

fa tsy ao aminy ny tenin’ny Tompo.

Aoka hotodîn’izay lazainy izy!

14Koa izao no lazain’ny TOMPO

Andriamanitr’izao rehetra izao:

«Noho izany tenin’ireo vahoaka ireo izany,

dia hataoko ho toy ny afo ny teniko

izay ampitondraiko anao, ry Jeremià;

ity firenena ity kosa dia ho toy ny kitay

ka holevonin’izany afo izany.

15Ny aminareo indray, ry vahoakan’i Israely,

hoy ny teny hentitry ny TOMPO,

dia indro Aho hahatonga

firenena avy lavitra hamely anareo,

dia firenena tsy mety resy

sady anisan’ireo tranainy indrindra,

firenena tsy fantatrareo ny fiteniny

sady tsy azonareo izay lazainy.

16Toy ny fasana misokatra ny tranon-jana-tsipîkany;

ary mpiady mahery ny miaramilany rehetra.

17Tapitra haripak’io firenena io avokoa

ny vokatrareo sy ny mofonareo,

ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy,

ny omby sy ondry aman’osinareo,

ary ny voalobokareo sy ny aviavinareo.

Horavany amin’ny ady ny tanànamimanda

izay noheverinareo hitokiana.

18Nefa na amin’izany andro izany aza, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, dia tsy hataoko ringana avokoa ianareo.

19Koa raha misy manontany hoe: «Nahoana no namely anay tamin’izao loza rehetra izao ny TOMPO Andriamanitray?», dia izao no havalinao, ry Jeremià: «Toy ny nandaozanareo ny TOMPO ka nanompoanareo ny andriamani-kafa tao amin’ny taninareo no hanompoanareo ny firenen-kafa any amin’ny tany izay tsy anareo!»

Vahoaka tsy mahalala ny fahefàn’Andriamanitra

20Ampitao amin’ny taranak’i Jakôba

izao hafatra izao

ka, ampandreneso ny vahoakan’i Joda,

hoy ny teny hentitry ny TOMPO:

21Henoy àry izao, ry vahoaka

dondrona sy tsy misaina,

mana-maso fa tsy mahita,

manan-tsofina fa tsy mandre.

22Tsy mba atahoranareo akory ve Izaho TOMPO?

Tsy mba mangovitra eo anatrehako ve ianareo?

Izaho anefa no nametraka ny fasika

ho fefin’ny ranomasina,

dia fetra mandrakizay tsy hihoarany:

na dia misamboaravoara mafy aza izy

dia tsy mahavaky izany fefy izany;

na dia mirohondrohona be aza ny onjany,

dia tsy afaka mihoatra azy.

23Ianareo kosa vahoaka mafy fo sy mpiodina,

misintaka lavitra ianareo dia lasa,

24fa tsy mba miteny anakampo hoe:

«Aoka hananantsika fanajana

ny TOMPO Andriamanitsika,

fa Izy no nanome antsika

ny orana amin’ny fotoany,

dia ny oram-pararano sy ny oran-dohataona

ka mitahiry ho antsika ireo herinandro

izay voatendry ho fotoam-pijinjana.»

25Ny helokareo no nanakorontana izany firindrana izany,

ny fahadisoanareo no nisakana ny soa ho anareo.

26Ahitana olon-dratsy manko ao amin’ny vahoakako,

miandry kendrin-tohina toy ny mpamandri-borona izy.

Namela-pandrika tokoa ny olon-dratsy,

mba hisamboran’olona.

27Tahaka ny tranom-borona feno vorona

dia feno zavatra nangalarina ny tranony.

Izany no nahatonga azy

ho lehibe sy manan-karena,

28ho matavy sy mandimandina.

Mihoa-pampana ny ratsy ataony:

Manohana ny ratsy fanahy izy amin’ny fitsarana

fa tsy manome rariny ny kamboty;

tsy raharahany akory izay zon’ny mahantra.

29Koa tsy hirotsaka an-tsehatra

hamely ireny olona ireny ve Aho,

ka hamaly faty ny firenena toy izany,

hoy ny teny hentitry ny TOMPO?

30Misy zava-doza sy mahatsiravina

miseho ao amin’ny tany:

31maminany lainga ny mpaminany,

mitady ny tombontsoany ny mpisorona,

ary ny vahoakako mankasitraka izany.

Koa rehefa tonga ny farany,

inona kosa no hataonareo?

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help