Jeremià 48 - Malagasy Bible

I Môaba

1Fanambaràna ny amin’i Môaba. Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely:

«Loza ity manjo ny tanànan’i Nebao, fa rava!

Ketraka i Kiriataima, fa azo:

ketraka izany tanànamimanda izany, fa mirodana!

2Tsy misy intsony ny reharehan’i Môaba!

Hamelezana an’i Hesbôna

no nanaovana teti-dratsy hoe:

«Andeha hofoanantsika

tsy ho firenena intsony izy!»

Ringana koa ianao, ry Madmena,

fa manjohy anao ny ady.

3Misy feo miantso vonjy avy any Hôrônaîma:

fandravana sy fandringanana goavana moa izao!

4Potika i Môaba; ka hatrany Tsôhara

no andrenesana ny antso vonjy ataony.

5Mitomany ny sisa velona

miakatra ny fiakaran’i Lohita.

Re hatrany am-pidinan’i Hôrônaîma

ny kiakiaka ateraky ny fandringanana hoe:

6«Mandosira, vonjeo ny ainareo;

ary mijanòna any an-taniefitra

toy ny borikidia ianareo.»

7Ny zava-bitanao sy ny tahirin-karenao

no nianteheranao, ry Môaba.

Kanjo hay voa koa ianao ity!

Indray lasan-ko babo

i Kemôsy andriamanitrao sy ny mpisorony

ary koa ireo mpitondra anao.

8Mitety ny tanàna rehetra ireo mpandrava;

ary tsy misy tanàna hidifiany.

Simba avokoa ny lohasaha

ary ripaka ny lembalemba.

Izany no voalazan’ny TOMPO.

9Anangano fasana i Môaba,

satria ho rava tokoa izy.

Ho lao ireo tanànany,

ka tsy hisy mponina intsony.

10Ho voaozona anie izay manao tsirambina

ny asa nampanaovin’ny TOMPO azy;

eny, ho voaozona anie izay misakana

ny sabany tsy handatsa-dra!

*

11«Tsy mba niaina tamin’ahiahy i Môaba

hatry ny fony izy mbola kely,

ary tsy mbola nentina ho babo mihitsy.

Nandry feizay am-pilaminana izy

toy ny divay niotrika hitsihan’ny faikany

ary tsy mbola naidina nafindra siny

ka mitana tsiro sady tsy miova hanitra.

12Noho izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, tonga ny andro izay handefasako olona mba hamindra siny azy. Hatotongany ho foana ny sinibe fitoeran-divay sady hotorotoroiny.

13Ho diso fanantenana i Môaba amin’i Kemôsy andriamaniny tahaka ny nahadiso fanantenana an’i Israely avaratra tamin’ny andriamanitr’i Betela izay nianteherany.

14Ry olon’i Môaba,

ahoana no itenenanareo hoe:

«Lehilahy matanjaka izahay

sady miaramila mahery an’ady»?

15Mananika ny tanànanareo

ilay mpandrava an’i Môaba,

ka nampidina ho amin’ny famonoana

ireo zatovonareo voafantina.

Izany no teny hentitra ataon’ilay Mpanjaka

Izay antsoina hoe «TOMPOn’izao rehetra izao.»

16Akaiky ho tonga

ny loza hanjo an’i Môaba,

ary ho avy haingana ny fahoriany.

17Koa ianareo rehetra mpifanila aminy

sady mahalala ny lazany

dia manehoa fiaraha-miory ka manaova hoe:

«Ahoana no nahapotika ity hery màzana

sy ity fahefàna be voninahitra ity?»

*

18Ry mponina mahonena ao Dibôna,

midìna avy eo amin’ny toeram-boninahitrareo

ka mitoera ao anaty fako ianareo,

satria miakatra hanafika anareo

ilay mpandrava an’i Môaba

ka mandrodana ny mandanareo.

19Ry mponina ao Harôhera,

mijoroa eny an-dalambe ka miambena.

Anontanio ireo nandositra

sy izay sisa avotra hoe:

«Inona no zavatra niseho?»

20–Menatra sy ketraka i Môaba,

hoy ny navalin’ireo,

Manaova antsoantso sy kiakiaka;

ambarao amin’ny faritra amoron’i Arnôna

fa rava i Môaba.

21Tonga ny fitsaran’ny Tompo ka mamely ny faritra lembalemba sy ireto tanàna ireto: i Hôlôna sy i Jahatsa sy i Mefahàta,

22i Dibôna sy i Nebao sy i Bèty-Diblataima,

23i Kiriataima sy i Bèty-Gamòla sy i Bèty-Mehôna

24ary i Keriôta sy i Bôtsera. Koa iharan’izany avokoa ny tanàn-dehibe rehetra amin’ny tanin’i Môaba na ny lavitra na ny akaiky.

25Lefy ny herin’i Môaba

ary potika ny fahefàny,

hoy ny teny hentitry ny TOMPO.

26Nihevitra ho lehibe noho ny TOMPO i Môaba ka ataovy mamon’ny divainy sy mihosina amin’ny loany, ary ho tonga fihomehezana.

27Tsarovy, ry Môaba, fa efa nataonao fihomehezana i Israely. Toy ny mpangalatra azo no niheveranao azy, ka mihifikifi-doha maneso ianao isaky ny miresaka azy.

28Ilaozy ny tanànanareo, ry mponin’i Môaba,

ka mitoera eny amin’ny harambato.

Aoka ianareo hanahaka ny voromahailala

izay manao akany eny am-pitan’ny hantsana.

*

29Efa renay ny avonavon’i Môaba,

izay fatra-piaingitraingitra loatra.

Efa renay ny fireharehany mihoa-pampana

sy ny avonavony amam-piaingitrainginy

ary ny fizahozahoan’ny toe-tsainy.

30«Fantatro ny fianjonanjony

sy ny fibedibediny foana,

hoy ny teny hentitry ny TOMPO;

tsinontsinona izay ataony.»

31Noho izany dia hanao fitarainana

noho ny amin’i Môaba aho,

ka hiantso vonjy ho an’ny fireneny manontolo

ary hitoloko noho ny amin’ny mponin’i Kira-Heresa.

32Mihoatra noho ny fitomanian’ny mponina tao Jahizera

no itomaniako anao, ry voly voaloboka any Sibmà,

fa ny sampanao nandadilady

hatrany ampitan’ny Ranomasina Maty

ka tafapaka hatrany Jahizera.

Kinanjo ilay mpandrava nandripaka

ny fiotazanao sy ny fijinjànao.

33Nitsahatra ny koranam-pifaliana

avy eny an-tanimboaloboka sy teny an-tsahan’i Môaba.

Tsy misy mpanosihosy voaloboka intsony

ary noritiko ny divay tao anaty barîka;

foana hatreo ny akoram-pifaliana.

34Miantso vonjy ny olon’i Hesbôna ka re hatrany Elehale. Eny, re hatrany Jahatsa ny feony; ary ny antso avy ao Tsôhara dia tonga hatrany Hôrônaîma sy Heglata-Selisià, satria ho ritra ihany koa na dia ny ranon’i Nimrima aza.

35«Hofoanako tsy hisy ao Môaba, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, ireo miakatra amin’ny toeram-panasinana hanao sorona sy handoro zava-manitra mifangaro ho an’ny andriamaniny.»

36Izany no hanaovan’ny foko toloko ho an’i Môaba sy ny olon’i Kira-Heresa, dia toloko miendrika feon-tsodina, satria very ny harena azony.

37Samy nanety ny volon-dohany sy nanaratra ny volom-bavany avokoa ny lehilahy rehetra, sady nitetitetika ny tanany sy nitafy gony ho fisaonana.

38Tsy misy afa-tsy hira fitomaniana no re eny an-tampon-trano rehetra ao Môaba sy eny an-kianja.

–«Nopotehiko toy ny fanaka tsy ilaina i Môaba, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.»

39–Manaova hira fisaonana hoe: «Andray ity hakivian’i Môaba! Henatra moa izao fa niamboho ady izy.» Hanjary fihomehezana sy fampitahorana ho an’ireo firenena rehetra manodidina azy i Môaba.

40Izao no lazain’ny TOMPO:

«Indro toy ny misy voromahery manidina

ka mikopaka elatra mipaoka an’i Môaba.»

41Azon’ny fahavalo ireo tanàna,

azony ny toera-mimanda.

Ary amin’izany andro izany

na dia ireo miaramila maherifon’i Môaba aza,

dia manaintaina toy ny vehivavy mihetsi-jaza.

42Ringana i Môaba ka tsy ho firenena intsony

satria nihevi-tena ho lehibe noho ny TOMPO.

43«Fampihorohoroana sy longoa ary fandrika harato

no miandry anareo, ry mponin’i Môaba,

hoy ny teny hentitry ny TOMPO.

44Izay mandositra noho ny fampihorohoroana

dia ho latsaka ao anatin’ny longoa;

ary izay tafakatra avy ao amin’ny longoa

dia ho voan’ny fandrika harato.

Izany no hampihariko amin’i Môaba

rehefa migadona ny taona hamaliako azy,

hoy ny teny hentitry ny TOMPO.

45Mitady fialokalofana ao Hesbôna

ireo mpandositra efa tena reraka.

Kinanjo misy afo mipoitra avy ao Hesbôna;

eny, misy lelafo mivoaka

avy ao an-dapan’ny mpanjakan’i Sihôna,

ka handevona an’i Môaba tanin’ireo mpitabataba ireo

na ny faritra misolampy na ny lembalemba.

46Loza ity mahazo anao, ry Môaba!

Very ianareo, ry vahoakan’i Kemôsy,

satria samy nentina ho babo

ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy.

47Kanefa indray andro any kosa i Môaba

dia mbola haveriko amin’ny laoniny indray,

hoy ny teny hentitry ny TOMPO.»

Mifarana eto ny didim-pitsarana momba an’i Môaba.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help