Ohabolana 17 - Malagasy Bible

1Aleo tapa-mofo maina hanina amim-piadanana,

toy izay fanasam-be ao amin’ny trano misy fifandirana.

2Ny mpanompo hendry hisolongona ny zanaka manala baràka,

ka handray anjara lova eo amin’ny mpirahalahy.

3Misy ny memy fisedrana ny volafotsy

ary ny fatana fandrendrehana ny volamena,

fa ny TOMPO no mizaha toetra ny fon’ny olona.

4Ny mpanao ratsy manongilan-tsofina amin-dresaka lainga,

ary ny mpandainga mihaino ny tenim-panaratsiana.

5Izay maneso ny mahantra miteny ratsy ny Mpanao azy;

ary izay faly amin’ny fahorian’ny sasany dia hofaizina.

6Satroboninahitry ny antitra ny zafikeliny;

ary reharehan’ny zanaka ny rainy.

7Tsy an’ny ketrina mihitsy ny hanao teny mihaja,

ary vao mainka an’ny olo-manankaja ny hilaza lainga.

8Ny kolikoly dia heverina hanambina ny mpanolotra azy,

ka hampahomby ny zavatra rehetra hataony.

9Izay mitady fihavanana manadino ny hadisoana;

fa izay mamoha fota-mandry mampisaraka ny mpisakaiza.

10Mandaitra kokoa ny anatra iray amin’ny olona misaina

noho ny kapoka injato amin’ny olona adala.

11Ny maditra dia fatra-pitady ny hanao ratsy,

ka handefasan’ny Tompo iraka lozabe hamely azy.

12Aleo tojo orsavavy very anaka,

toy izay sendra adala mihetsika hadalana.

13Izay olona mamaly ratsy ny soa

dia tsy hialan’ny ratsy ao an-tranony.

14Ny fiandoham-pifandirana dia toy ny mamaky tohandrano;

koa ajanòny izany dieny tsy mbola mihombo ny ady.

15Samy halan’ny TOMPO avokoa

na ny fanamarinana ny olo-meloka

na ny fanamelohana ny olo-marina.

16Hatao inona ny vola eo an-tanan’ny adala?

Hamidy fahendrena ve? Tsy manan-tsaina hanao izany izy.

17Ny namana dia izay tia amin’ny fotoana rehetra,

ka miseho toy ny mpiray tampo izy amin’ny fahoriana.

18Olona tsy ampy saina izay mipai-tanana

manaiky hiantoka ny trosan’ny hafa.

19Izay tia fifandirana tia fahotana;

ary izay manana hambom-po diso tafahoatra

dia mitady fahavoazana ho an’ny tenany.

20Izay be hafetsen-dratsy dia tsy hahita hasambarana;

ary izay miolakola-piteny no hianjadian’ny loza.

21Izay miteraka adala, hahazo alahelo;

fa ny rain’ny ketrina tsy mba ho faly.

22Ny fo falifaly mahasoa ny vatana;

fa ny fahakiviana mahamaina ny taolana.

23Mandray kolikoly mangingina ny olon-dratsy

hamadihany ny fizotran’ny ara-drariny.

24Misoritra amin’ny endriky ny manan-tsaina ny fahendrena,

fa ny mason’ny adala mibirioka any am-paran’ny tany.

25Ny zanaka adala manome alahelo ny rainy

ary fahoriana mangidy ny reniny.

26Tsy tsara ny manasazy olo-marina;

tsy ara-drariny ny mamely olona manan-kaja.

27Izay mahalanjalanja ny teniny no feno fahalalana;

ary izay mahatsindry fo no olona manan-tsaina;

28na ny adala aza, rehefa tsy miteny, dia toy ny hendry;

rehefa mikombom-bava izy, dia toa manan-tsaina.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help