Tononkiran'i Salômôna 4 - Malagasy Bible

1Tsara tarehy ianao, rahavako;

eny, tsara tarehy ianao!

Mahafinaritra toa voromahailala

ny masonao anatin’ny voalinao;

ny volon-dohanao dia toy ny andian’osy

midina ny tendrombohitra Gilehada.

2Ny nifinao dia fotsy toa andian’ondrivavy

izay efa voahety sy avy nampandroana;

samy manana rahavavy kambana ireo,

ka tsy misy izay tsy tahaka izany.

3Toa ribà mena ny molotrao;

ary mahafatifaty ny vavanao.

Menamena toa hasin’ampongabendanitra

ireo takolakao anatin’ny voalinao.

4Ny vozonao dia toy ny tilikambon’i Davida,

izay naorina hiendrika boribory;

ampinga arivo no mihantona eo,

dia ny ampingan’ireo maherifo.

5Ny nononao roa dia hoatra zana-gazela,

dia gazela kambana vao natera-dreniny

ka mirao-bilona eny anivon’ny lisy.

6Amin’ny takariva mangatsiatsiaka,

rehefa hilentika ny masoandro,

dia tapa-kevitra aho ny handeha

ho etỳ an-tendrombohitrao mandraraka miora

sy ho etỳ an-kavoanao mamerovero zava-manitra.

7Tsara avokoa ny bikanao, rahavako;

eny, tsara tsy misy tomika ianao.

8Andao hiaraka amiko, ry fofombadiko;

ialao i Libano ka andao hiaraka amiko.

Hidina avy eny an-tampon’i Amanà ianao,

ary hidina avy eny Senira sy Hermôna.

Andosiro ireny fa toeram-pieren’ny liona

sy tendrombohitra fiafenan’ny leôparda.

9Mambabo ny foko ianao, ry havako fofombadiko;

mambabo ny foko ny indray mipimasonao

ary na dia ny rojo anankiray eny am-bozonao aza.

10Mamy tokoa ny safosafonao,

ry havako fofombadiko;

fy tokoa ny safosafonao,

eny, fy mihoatra noho ny divay;

ary ny ilomanitrao dia mahasintona ahy

mihoatra noho ny zava-manitra hafa rehetra.

11Ny molotrao, ry fofombadiko,

dia toa mitsonika hamamiana

avy amin’ny vonin-javamaniry.

Mamy toa ronono aman-tantely ny teninao;

ary ny hanitr’ireo akanjonao

dia toy ny an’ireo hazo any Libano.

12Zaridaina mifefy tsara hidy ianao,

ry havako fofombadiko;

zaridaina mifefy tsara hidy ianao

sady loharano voaisy tombokase.

13Ianao toa sahan’ampongabendanitra

izay misy voany matsiro;

samy mamerovero ao koa

ny kôfera sy ny narda,

14ny narda sy ny safràna,

ny veromanitra sy ny kanelina

mbamin’ny hazo manitra rehetra;

mandraradrara-pofona eo koa ny miora

sy ny aloesy ary ny menaka manitra rehetra.

15Loharano ao an-jaridaina ianao,

dia fantsakana miboiboika ranovelona

izay mikoriana avy any Libano.

(Ravehivavy)

16Mifohaza, ry rivotra avy any avaratra;

ary avia, ry rivotra avy any atsimo.

Mitsofa ao an-jaridainako ianareo,

dia handraraka ny zava-manitra eo aminy.

Aoka ny malalako hankatỳ an-jaridainany

ka hihinana ireo voankazony matsiro.

(Ralehilahy)

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help