Salamo 51 - Malagasy Bible

SALAMO Vavaka mba hahazoana famelan-keloka

1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Salamo nataon’i Davida,

2fony i Natàna mpaminany nankao aminy, rehefa naka an’i Baty-Seba ity mpanjaka

.

3Andriamanitra ô, iantrao aho

satria fatra-pitia Ianao;

koseho re ny hadisoako

satria be indrafo Ianao.

4Sasao tanteraka aho ho afa-keloka

ary diovy mba ho afa-pahotana.

5Eny, miaiky ny fahadisoako aho

sady tsaroako lalandava ny fahotako.

6Ianao irery tokoa no nanotako,

ny ratsy eo imasonao no nataoko;

hany ka ara-drariny Ianao raha miteny,

ary tsy omen-tsiny raha manadidy.

7Jereo fa meloka aho no teraka,

mpanota raha notorontoronina;

8nefa ny hahitsy ao anaty no sitrakao,

koa ny fahendrena am-po no atoroy ahy.

9Ataovy afa-pahotana tokoa aho, dia hadio;

sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka.

10Ataovy reko ny famelanao,

dia hifaly sy hiravo indray aho;

ary aoka hibitaka ny taolako

izay efa voamontsamontsanao.

11Hadinoy tanteraka ny fahotako

ary koseho avokoa ny heloka vitako.

12Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô,

fanahy mahatoky no aoreno ato anatiko.

13Aza esorina anoloanao aho;

ny Fanahinao Masina, aza alana amiko.

14Avereno amiko ny hafalian’ny voavonjy;

ilay Fanahinao mampazoto no anohany ahy.

15Dia hotoroako ny lalanao ireo olon-diso

ka hiverina aminao ny mpanota.

16Andriamanitra ô, Andriamanitra mpamonjiko Ianao.

Namono olona ho faty aho ka ataovy afa-keloka

mba hihobiako ny fanafahanao ahy.

17Tompo ô, ampio hiloa-bava aho,

mba hanambaràko ny fiderana Anao.

18Tsy ny sorona amam-panatitra no ho sitrakao;

raha izany, dia nomeko ihany Ianao.

Na ny sorona dorana manontolo aza

dia tsy hahafaly Anao akory.

19Ny sorona ataoko aminao, Andriamanitra ô,

dia ny fanahiko tsy miavonavona;

ny foko tsy miavonavona sy mangorakoraka

dia tsy mba ataonao tsinontsinona, Andriamanitra ô.

20Noho ny fanambinanao, hasoavy i Tsiôna,

atsangano ny mandan’i Jerosalema.

21Dia ho sitrakao ireo sorona amam-panatitra ara-dalàna

mbamin’ny sorona dorana sy izay atolotra manontolo;

ka dia ombilahy no hakarina

eo ambonin’ny alitaranao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help