1Hafatra nampitondrain’ny TOMPO an’i Malakỳ ho an’ny Israelita.
I Israely no voafidin’ny Tompo2Hoy ny TOMPO taminareo vahoakany:
–Tiako ianareo.
Nefa nanontanianareo Izy hoe:
–Aiza àry ny porofon’ny fitiavanao?
Dia novalian’ny TOMPO an-teny hentitra hoe:
–Tsy mpirahalahy va i Hesao sy i Jakôba? Nefa i Jakôba no tiako,
3fa i Hesao kosa halako. Nataoko tonga lao ny faritra be tendrombohitra nitoeran’ny taranak’i Hesao, ary ny taniny natolotro ho an’ny amboadia any an-taniefitra.
4Na dia hiteny aza ny Edômita taranak’i Hesao hoe: «Rava sy potika izahay, nefa hatsanganay indray ny tanàna rava», Izaho TOMPOn’izao rehetra izao dia hamaly hoe: Aoka izy hanangana, fa Izaho kosa handrava. Ary ny olona hametaka anarana azy hoe: «Tany anjakam-paharatsiana» sy «Vahoaka tezeran’ny TOMPO mandrakizay».
5Hahita maso izany ianareo, ry Israelita, ka hahateny hoe: «Lehibe ny TOMPO, na dia hatrany ivelan’ny tanin’i Israely aza!»
Fanompoam-pivavahana tsy mendrika ny Tompo6Hoy ny TOMPOn’izao rehetra izao aminareo mpisorona: «Ny zanaka manome voninahitra ny rainy, ary ny mpanompo manaja ny tompony. Koa raha Ray aho, aiza izay voninahitro? Ary raha Tompo aho, aiza izay hajako? Fa manamavo ny anarako ianareo, nefa manontany hoe: «Amin’inona no anamavoanay ny anaranao?».
7Mitondra hanina tsy mendrika Ahy eo amin’ny alitarako ianareo, nefa manontany hoe: «Amin’inona no anaovanay zavatra tsy mendrika Anao?» Ka hoy Aho hoe: Amin’ny fanimbazimbanareo ny alitarako!
8Raha biby jamba na mandringa na marary no entinareo hatao sorona amiko, moa heverinareo fa tsy ratsy ve izany? Biby tahaka izany ange aterina ho an’ny governora, dia ho hitanareo raha hahazo sitraka na fitia aminy ianareo, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao.
9Koa ankehitriny, ry mpisorona, mifonà amiko Andriamanitrareo ange ianareo, raha toa ka mba hiantra ny vahoakako Aho. Noho izay nataon’ny tananareo izay, moa heverinareo ve fa hihaino anareo Izaho TOMPOn’izao rehetra izao? Sanatria izany!
10Tokony hohidin’ny anankiray aminareo ny varavaran’ny tempoly mba tsy handrehetanareo afo tsy misy lanjany eo amin’ny alitarako. Tsy sitrako ny hahita anareo na ny handray izay fanatitra ataonareo, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao.
11Fa manomboka any atsinanana ka hatrany andrefana no hieken’ireo hafa firenena fa lehibe ny lazako. Ary hatraiza hatraiza no handoroana sorona sy hanaovana fanatitra mendrika ny anarako. Eny, hiaiky ireo hafa firenena fa lehibe ny lazako, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao.
12Fa ianareo kosa manevateva izany amin’ny filazànareo fa ny alitaran’ny TOMPO dia tsy mendri-kaja, ary ny sakafo aterina eo dia tsizarizary.
13Miteny aza ianareo hoe: «Asa mafy re izany!» Dia tsy mba miraharaha Ahy ianareo, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao. Biby nangalarina na mandringa na marary no atolotrareo amiko. Koa ataoko ahoana, hoy AHO, no fankasitraka izany avy amin’ny tananareo.
14Ho voaozona anie ny mpamitaka izay manana biby salama ao amin’ny andian’ondriny; saingy rehefa manao voady izy, dia biby manan-kilema no ataony sorona amiko. Eny, mpanjaka lehibe ny tenako, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao; ary mampihorohoro ny firenen-drehetra ny lazako.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.