Salamo 52 - Malagasy Bible

SALAMO Anoloan’ny olona mitoky amin’ny hareny

1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Tononkalo fananarana nataon’i Davida,

2fony tonga i Dôega, ilay Edômita, ka nilaza tamin’i Saoly hoe: Nankany an-tranon’i Abimeleka i Davida

.

3Ahoana ianao no mirehareha amin’ny ratsy,

ry ilay mahery mamely ny mpivavaka marina.

4Heloka hatrany no saininao;

toa hareza maranitra ny lelanao,

ka kinga tokoa raha hanendrikendrika;

5tsy mba ny tsara no tianao fa ny ratsy,

tsy mba ny marina fa ny lainga.

Fiatoana

6Teny manimba avokoa

no maminao, ry mpamitaka.

7Andriamanitra kosa no hanongana anao mandrakizay;

hisambotra sy hisarika anao hiala ny tranonao Izy

ary hanongotra anao amin’ity tany ivelomantsika ity.

Fiatoana

8Ny olo-marina hahita izany ka hitolagaga

ary dia haneso anao sy handatsalatsa hoe:

9«Indro ilay lehilahy mpiady,

tsy nanao an’Andriamanitra ho heriny

fa niantehitra tamin’ny harem-beny,

nirehaka tamin’ny haratsiany.»

10Izaho kosa, ao an-tranon’Andriamanitra,

dia toa fototr’ôliva maitso mavana;

ny fitiavany no itokiako

mandrakizay mandrakizay.

11Tompo ô, hoderaiko hatrany Ianao

noho ny amin’izay nataonao;

ary eo anatrehan’ny mpivavaka aminao

no hanambarako fa tsara Ianao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help