Fitomaniana 3 - Malagasy Bible

Misy antony tokony hanantenana amin’ny fahoriana mangidyALEFA

1Lehilahy nahita fahoriana aho

tamin’ny kapoky ny fahatezeran’ny Tompo.

2Notarihiny aho, ka nampandehaniny

tamin’ny maizina fa tsy tamin’ny mazava.

3Izaho irery ihany no velesin’ny tanany

mandritra ny andro manontolo.

BETA

4Nolazoiny ny nofoko sy ny hoditro,

ary notapatapahiny ny taolako.

5Nampijoro tovon-tany hamelezana ahy Izy,

ka zava-mangidy sy fahoriana no nataony manemitra ahy.

6Nampitoeriny tao amin’ny haizina aho

tahaka ireo efa maty fahiny.

GIMELA

7Nofefeny manodidina aho tsy ho afa-nivoaka;

nataony mavesatra ny gadrako.

8Nikiakiaka niantso vonjy aho;

fa nosakanany ny fivavako.

9Notampenany rindrim-bato voapaika ny lalako

ary naolikoliny ny alehako.

DALETA

10Toa orsa manotrika hamely ahy Izy,

toa liona mamitsaka ao anaty kirihitra,

11ka nampivily lalana ahy

ary namiravira sy namela ahy ho potika.

12Nanenjana ny tsipîkany Izy

ary nikendry hitifitra ahy.

HE

13Ny zana-tsipîkany rehetra

no nanagorobahany ny voako.

14Tonga fihomehezan’ny olona rehetra aho,

ataony resaka fanarabiana isan’andro.

15Nobobohan’ny Tompo zava-mampalahelo aho

ary nomamoiny zava-mangidy.

VAO

16Notereny hikarepoka vatokely aho

ary nohoseny tao anaty lavenona.

17Noroahiny lavitry ny fiadanana aho

ka nanadino izay atao hoe fahasambarana.

18Ka hoy aho hoe: Potika ny hoaviko,

ary tsy misy fanantenàko ny TOMPO intsony.

*ZAINA

19Poizi-mangidy ho ahy

ny mahatsiaro ny fahoriako sy firenireneko

20Tsaroako tokoa izany, eny, tsaroako

ka trotraka aho tamin’ny nanjo ahy.

21Izao anefa no hoeritreretiko am-po

sady antony hanantenako:

HETA

22Tsy ritra ny mari-pitiavan’ny TOMPO

ary tsy mitsahatra ny famindrampony;

23vaovao isa-maraina ireny.

Fatratra ny toetranao mahatoky, Tompo ô!

24Hoy aho anakampo hoe: ny TOMPO no anjarako;

noho izany, dia manantena Azy aho.

TETA

25Tsara ny TOMPO amin’izay miandry Azy,

dia amin’ny olona mitady Azy.

26Tsara ny manantena mangina

ny famonjen’ny TOMPO.

27Tsara ho an’ny lehilahy

ny mitondra zioga amin’ny fahatanorany.

JODA

28Aoka izy hipetraka mitokana sy hangina,

rehefa mizaha toetra azy ny Tompo.

29Aoka hanohoka vava am-bovoka izy,

ndrao mba hisy fanantenana.

30Aoka izy hanolotra ny takolany

amin’izay mikapoka azy, ka ho voky latsa!

KAFA

31Fa tsy hanary mandrakizay ny Tompo.

32Fa raha mampahory Izy, dia mamindrafo

araka ny halehiben’ny fitiavany.

33Fa tsy sitrany ny mampahory

na mampijaly ny olombelona.

LAMEDA

34Rehefa hosihosena avokoa

ny mpigadra eo amin’ny tany,

35rehefa ny zon’olombelona no hitsakitsahina

eo anatrehan’ilay Avo Indrindra,

36rehefa ny rariny no avadika eo amin’ny fitsarana,

dia tsy ho hitan’ny Tompo ve izany?

MEMA

37Iza moa no miteny, dia mampisy zavatra?

Moa tsy ny Tompo va no mandidy?

38Moa tsy ny tenin’ilay Avo Indrindra ve

no mampisy ny loza sy ny soa?

39Koa inona àry no imenomenonan’ny olona

izay mbola velona sy tomady,

na dia eo aza ny fahotany?

NONA

40Dinihontsika sy fantaro ny fitondrantenantsika,

ka miverena amin’ny TOMPO isika.

41Aoka hasandratsika miaraka ny fo aman-tanana,

rehefa mivavaka amin’Andriamanitra any an-danitra isika.

42Efa nanota sady nikomy izahay;

ary Ianao, Tompo ô, tsy namela heloka anay.

SAMEKA

43Nisarom-pahatezerana Ianao no nanenjika anay,

ka nandringana anay tsy nisy fiantrana.

44Nisaron-drahona Ianao

mba tsy ho takatry ny vavakay.

45Nataonao fakofako sy fanary

teo anivon’ny firenen-kafa izahay.

PE

46Nanoka-bava hamely anay

ny fahavalonay rehetra.

47Horohoro sy fanina no mahavoa anay,

ary koa fandringanana sy faharatrana.

48Rano mandriaka no avoakan’ny masoko

noho ny faharatrana nanjo ny fireneko.

HAINA

49Mikoriana ranomaso tsy mety ritra ny masoko

satria tsy misy fitsaharanay mihitsy.

50Andrasako ny hitsinjovan’ny TOMPO

ka hijereny avy any an-danitra.

51Fijaliana ho ahy ny mahita

izay manjo ny zazavavy rehetra ao an-tanànako.

*TSADE

52Ireo fahavaloko tsy amin’antony

manenjika ahy toy ny fanenji-boronkely.

53Nanidy ahy velona

tao an-davaka izy

ary nanjera vato teo amboniko.

54Nandifotra ny lohako ny rano,

ka hoy aho hoe: «Very aho ity!»

KÔFA

55Avy tany am-paran’ny lava-drano aho

no niantso vonjy taminao, TOMPO ô.

56Renao ny feoko manao hoe: «Aza anampenan-tsofina

ny fitarainako miantso vonjy aminao.»

57Nanatona Ianao tamin’ny andro niantsoako Anao,

ka nanao tamiko hoe: «Aza matahotra!»

RESA

58Tompo ô, niady ho ahy Ianao

ka nanavotra ny aiko.

59TOMPO ô, hitanao ny fiangarana natao tamiko

ka notsarainao ara-drariny aho.

60Hitanao avokoa ny valifaty nataony tamiko,

dia izay rehetra nokasainy hamelezana ahy.

SINA

61TOMPO ô, efa renao ny latsa nataony,

dia izay rehetra nokasainy hamelezana ahy.

62Izay lazain’ny mpanohitra ahy sy eritreretiny

dia kendreny hamelezana ahy tontolo andro.

63Jereo izy na mipetraka na mitsangana

fa izaho ihany no ambentin-dresany.

TAO

64TOMPO ô, araka izay nataony tamiko

no hamalianao azy koa.

65Hataonao donto ny fisainany;

ary hiharan’ny ozonao ireo.

66Hoenjehinao amim-pahatezerana izy

ka haringanao tsy ho etỳ ambonin’ny tany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help