Jôba 36 - Malagasy Bible

Manazava ny fomba fanabeazan’Andriamanitra ny olona i Elihò

1Nanohy indray ny teniny i Elihò ka nanao hoe:

2Mahareta kely amiko, ry Jôba, fa hampianariko ianao;

satria mbola misy teny hiandaniako an’Andriamanitra.

3Ny fahalalako avy amin’ny sehatra midadasika no entiko

hanomezan-drariny an’Andriamanitra Mpanao ahy.

4Fa tsy misy lainga tsy akory izay lazaiko;

satria lehilahy azo antoka amin’ny fahalalana

izaho izay eto aminao izao.

5Jereo fa mahery Andriamanitra

kanefa tsy mba manambany olona;

eny, mahery tokoa Izy

ka hentitra amin’ny fanapahan-keviny.

6Tsy mamela ny olon-dratsy ho ela velona Izy

fa manome rariny kosa ny mahantra.

7Miahy ny olo-marina mandrakariva Izy

ka manandratra voninahitra azy

sy mampaharitra azy eo amin’ny fitondrana

toy ny mpanjaka eo amin’ny sezafiandrianany.

*

8Fa raha olo-marina no voagadra rojo vy

sady voagejam-pahoriana,

9dia ny asany no ambaran’Andriamanitra azy:

manota ireo, satria niavonavona.

10Dia manokatra sofina azy Andriamanitra

mba hihaino ny fananarany

ka mandidy azy hiala amin’ny ratsy.

11Raha mety mihaino an’Andriamanitra izy,

dia amin’ny fahasambarana sy ny hamamiana

no handaniany ny androny sy ny taonany.

12Fa raha tsy mety mihaino kosa izy,

dia ho faty hiharan-tsabatra

noho izy tsy manam-pahalalana akory.

13Fa ny ratsy fanahy dia tezitra aminy

ka tsy mahataraina na dia gadrainy aza.

14Koa dia maty tanora sy ratsy fiafara ireo

toy ny olona iharan’ny fahafaham-baràka.

*

15Fa ny fahorian’ny ory kosa

no entin’Andriamanitra mamonjy azy,

ary ny loza mianjady aminy no entiny mampianatra azy.

16Fahiny dia nalany tamin’ny fahaterena ianao

ka napetrany tamin’ny toera-malalaka,

ary dia ny hanim-py no naroso

teo ambonin’ny latabatrao.

17Fa voaheloka toa olon-dratsy ianao izao,

ary didim-pitsarana tsy azo ivalozana izany.

18Aoka tsy hampisendaotra anao ny famaizana,

ary tsy hampivily anao ny fanaovan-kolikoly.

19Hahafa-pahoriana anao ve ny fitarainana

sy ny fiezahana mafy rehetra ataonao?

20Aza manantena koa ny alina

hanaisotra ny olona amin’ny toerany.

21Koa mitandrema sao mivily ho amin’ny ratsy

fa hisedrana anao izao fampahoriana izao.

Ny fiandrianan’Andriamanitra

22Jereo fa mahery ny fiandrianan’Andriamanitra;

Iza no mahay mampianatra tahaka Azy?

23Iza no mahabaiko an’Andriamanitra

amin’izay tiany hatao?

Ary zovy no sahy hiteny aminy hoe:

«Tsy mety ny nataonao»?

24Tsarovy ny mankalaza ny asany

izay efa noderain’ny olona an-kira.

25Fa banjinin’ny olona rehetra izany,

ary na avy lavitra aza dia tazany.

*

26Eny, lehibe Andriamanitra

ka tsy takatry ny saintsika;

tsy tambo isaina velively

ny taona naha Andriamanitra Azy.

27Sintoniny tsikelikely ny rano,

dia lasa etona ka tonga orana.

28Ary avelan’ny rahona hilatsaka izany

ka mifafy amin’ny besinimaro.

29Iza koa no mahafantatra

ny amin’ny fivelatry ny rahona

sy ny fipoakan’ny kotroka eo amin’ny andohalambo

izay fonenan’Andriamanitra?

30Indro Izy fa manapariaka ny tselatra

eny ambonin’ny rahona eny

ary mandrakotra ny fanambanin-dranomasina.

31Amin’ireny no anafaizany ny vahoaka

na anomezany azy hanina betsaka.

32Manafina ny tselatra eny an-tanany Izy

ka mibaiko azy hahavoa izay kendreny.

33Manambara ny fiavian’ny orana ny kotroka;

ka na ny biby fiompy koa dia mahatsapa izany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help