Ohabolana 10 - Malagasy Bible

Amboaran’ohabolana momba ny fiainana môraly

1Ohabolan’i Salômôna.

Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy;

fa ny zanaka adala mampalahelo ny reniny.

2Ny fananana azo tamim-pomba ratsy, dia tsy mitondra soa;

fa ny fahamarinana no manafaka amin’ny fahafatesana.

3Tsy avelan’ny TOMPO ho noana ny marina,

fa laviny kosa ny fanirian’ny olon-dratsy.

4Ny tanana tsy miasa no mampahantra;

fa ny tanana mazoto kosa mampanan-karena.

5Izay manangom-batsy amin’ny fararano dia olo-misaina;

fa izay matory amin’ny fotoam-pijinjana kosa tebahina.

6Fitahiana no ho amin’ny tenan’ny olo-marina;

fa ny tenin’ny olon-dratsy kosa mifono herisetra.

7Hotahîna ny fahatsiarovana ny olo-marina;

fa ho hadino hatramin’ny anarany kosa ny olon-dratsy.

8Ny hendry am-po dia mandray torolalana;

fa ny adala miteniteny foana kosa ho very.

9Izay mizotra ho olom-banona no mizotra amim-pitokiana;

fa izay manan-toetra miolikolika kosa hiharan-doza.

10Izay manafina ny zava-nitranga dia mahatonga alahelo;

fa izay mananatra tsy misorona kosa mitondra fiadanana.

11Ny tenin’ny olo-marina dia loharanon’aina

fa ny tenin’ny olon-dratsy kosa mifono herisetra.

12Ny fankahalana dia manetsika ady;

fa ny fitiavana manarona ny hadisoana rehetra.

13Ahitana fahendrena ny tenin’ny manan-tsaina;

fa tsorakazo kosa no ho an’ny lamosin’ny bado.

14Harem-pahalalana no voaangon’ny hendry;

fandringanana antomotra kosa no hateraky ny tenin’ny adala.

15Ny fananan’ny mpanankarena no toy ny manda miaro azy;

fa ny fahantran’ny ory kosa no hiteraka fandringanana azy.

16Ny karaman’ny olo-marina dia hivelomany;

fa ny vola azon’ny olon-dratsy kosa hahotany.

17Izay mitandro fifehezan-tena dia mizotra ho amin’ny fiainana;

fa izay mandà anatra kosa no haniasia.

18Mpihatsaravelatsihy izay manafina ny fankahalany;

fa adala izay mampiely endrikendrika.

19Ny teny maro tsy ilaozam-pahadisoana;

fa olo-misaina kosa ny mahatam-bava.

20Volafotsy voafantina ny tenin’ny olo-marina;

fa ny fon’ny olon-dratsy kosa tsisy vidiny.

21Mampianatra ny maro ny tenin’ny olo-marina;

fa matin’ny habadoana kosa ny adala.

22Ny fitahian’ny TOMPO no mampanankarena;

ary tsy manampy inona amin’izany ny ezaky ny olona.

23Ny fanaovan-dratsy no lalaon’ny adala;

fanehoam-pahendrena kosa no an’ny mahay manavaka.

24Izay ahîn’ny olon-dratsy no ho tonga aminy;

fa izay irîn’ny olo-marina kosa no homena azy.

25Rehefa mipaoka ny rivo-maherin’ny fitsapana,

dia indaosiny tsy ho eo intsony ny olon-dratsy;

fa mahatanty lalandava izany kosa ny olo-marina.

26Mampangirifiry nify ny vinaingitra,

mampangirifiry maso ny setroka;

toy izany koa ny olona kamo

dia mampangirifiry ny mpampiasa azy.

27Izay manaja ny TOMPO ho ela velona;

fa ny olon-dratsy kosa malaky maty.

28Miteraka fifaliana ny fanantenàn’ny olo-marina;

fa ny fanampoizan’ny olon-dratsy kosa ho levona.

29Fialofana ho an’ny olom-banona ny lalan’ny TOMPO,

fa fandringanana kosa ho an’ny mpanao ratsy.

30Tsy hihontsona na oviana na oviana ny olo-marina,

fa ny olon-dratsy kosa tsy hahajanona amin’ny tany.

31Fahendrena no mikoriana avy eo am-bavan’ny marina;

fa ny lela fandainga kosa tokony hotapahina.

32Ny molotry ny olo-marina dia miboiboika halemem-panahy,

fa fitaka no mameno ny vavan’ny olon-dratsy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help