1Amin’izany andro izany indrindra, hoy ny TOMPO,
dia haveriko amin’ny toetrany taloha
i Joda sy i Jerosalema.
2Hangoniko ny hafa firenena rehetra
ka hampidiniko avokoa
ho eo amin’ny lohasaha
atao hoe «Ny TOMPO no mitsara».
Eo no hitsarako azy
noho izay rehetra nataony
tamin’i Israely vahoakako sy fananako,
ka nampielezany azy
tany amin’ny firenen-kafa
sy nizarazarany ny taniko.
3Nanaovany an-tsapaka ny vahoakako;
ka zazalahy no namidiny
ho takalona mpivarotena,
ary zazavavy no namidiny
hahazoana divay hosotroina.
4Ianareo kosa, ry i Tiro sy i Tsidôna,
mbaminareo rehetra faritr’i Filistia,
inona no tadiavinareo hatao amiko?
Moa hamaly faty Ahy va ianareo?
Raha izany no tadiavinareo hatao amiko,
dia hatsingeriko haingana eo an-dohanareo.
5Nalainareo ny volafotsiko
sy ny volamenako ary ny raki-tsarobidiko
ka nentinareo any amin’ny tempolinareo.
6Ary ny mponin’i Joda sy i Jerosalema kosa
dia namidinareo tamin’ny Grika
mba hampanalavirina ny taniny.
7Fa hampodîko avy amin’ny tany
izay nivarotanareo azy izy
ka hatsingeriko ho eo an-dohanareo
ny ratsy izay nataonareo.
8Koa hamidiko amin’ny mponin’i Joda
ny zanakalahy sy ny zanakavavinareo.
Ireo indray hivarotra azy amin’ny Sabeanina
izay firenena any lavitra.
Izaho TOMPO no miteny izany.
Ady farany sy fitsarana9Antsoantsoy any amin’ny hafa firenena izao:
«Miomàna hiady, vonòny ny miaramilanareo;
aoka ny mpiady rehetra hiara-manainga.
10Tefeo ho sabatra ny lelan’angadinombinareo
ary ho lefona ny antsim-barinareo;
aoka na dia ny osa aza
mba hihiaka hoe: ‹Mahery aho›.
11Tongava faingana ianareo rehetra
any amin’ny firenena manodidina any
ka mivoria ao amin’io lohasaha io.»
Ampidino ao, TOMPO ô,
ireo maherinao mba hamely azy.
12«Aoka hiara-manainga ireo hafa firenena
ka hiakatra ao amin’ny lohasaha
atao hoe ‹ny TOMPO no mitsara›.»
Eo Izaho TOMPO no hipetraka hitsara
ny hafa firenena rehetra manodidina.
13Arosoy ny antsim-bary hijinjana azy
toy ny fijinja ny vokatra masaka
Avia ianareo hanosihosy azy
toy ny fanosy ny voaloboka
izay mameno ny famiazana.
Mihoatra ny vata fanantazana azy ny divay;
eny, be tokoa ny faharatsian’ireo olona ireo.»
14Vahoaka tsy hita isa no tonga
ao amin’ny lohasaha Fitsarana
fa efa antomotra ny androm-pahatezeran’ny TOMPO.
15Mihamaizina ny masoandro sy ny volana
ary tsy mamiratra intsony ny kintana.
16Avy ao Tsiôna ny TOMPO no manerona,
ary avy ao Jerosalema Izy no manandra-peo.
Mihorohoro ny tany aman-danitra!
Fa ny TOMPO no fialofan’ny vahoakany
sy fiarovana ho an’ny Israelita.
17Ary hiaiky ianareo
fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo,
Ilay monina ao Tsiôna
tendrombohitro masina.
Dia ho tanàna masina i Jerosalema,
ka tsy hidiran’ny hafa firenena intsony.
Hitahy ny vahoakany Andriamanitra18Amin’izany andro izany
dia hamokatra divay vao ny tendrombohitra,
handriaka ronono ny biby fiompy eny an-kavoana.
Hikoriana rano avokoa
ny sakeli-dranon’i Joda.
Ary hisy loharano hifantsitsitra
avy ao an-tranon’ny TOMPO
ka hanondraka ny lohasahan’i Sitîma.
19Ho tonga tany lao i Ejipta
ary ho taniefitra foana i Edôma
noho ny herisetra nataony
tamin’ny taranak’i Joda,
dia ny nandatsahany
ran’ny tsy manan-tsiny
teo amin’izany tany izany.
20-21Eny, hambarako ho tsy manan-keloka izy.
Fa i Joda sy i Jerosalema
dia honenana mandrakizay
ary Izaho TOMPO kosa
dia honina ao Tsiôna.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.