Jôba 11 - Malagasy Bible

Tenin’i Tsôfara: miverena amin’Andriamanitra

1Dia nandray fitenenana i Tsôfara avy any Nahamà ka nanao tamin’i Jôba hoe:

2Tsy mba hovaliana ve ny teny maro toy izany?

Tsy hoe be vava manko no manana ny marina!

3Ny rediredinao ve no hampangina ny olona?

Ka dia haneso tsy hisy mpanakiana ianao!

4Nambaranao aza hoe: «Madio ny teny nalahatro;

Andriamanitra no mahita fa tsy manan-tsiny aho».

5Fa raha mba nety niteny ahay Andriamanitra

ka nanaiky hisoka-bava hamaly anao mivantana,

6dia ho nambarany anao ny zava-miafin’ny fahendrena

izay tsy takatry ny saintsika olombelona;

ary dia hiaiky ianao fa maro ny fahotanao

no odian’Andriamanitra tsy hita akory.

*

7Moa azonao takarina ve

ny zava-dalina momba an’Andriamanitra

na koa azonao fantarina ve

ny fahatanterahan’ilay Tsitoha?

8Avo tahaka ny lanitra izany,

ka hataonao ahoana?

Ary lalina noho ny toeran’ny maty izany,

ka ho fantatrao ve?

9Malalaka noho ny tany izy

ary midadasika noho ny ranomasina.

10Raha sendra mandalo Andriamanitra

ka misambotra olo-meloka

sy mampanao fitsarana azy,

iza no hahasakana Azy amin’izany?

11Fa fantatr’Andriamanitra ny mpamoron-dainga;

hitany ny ratsy, na dia tsy tomoriny akory aza.

12Amin’izay ny olona tsy ampiampy saina aza

dia mety hahazo fahendrena indray

na dia toetram-borikidia aza izy fony vao teraka.

13Fa ianao kosa, tsy maintsy mitodika amin’Andriamanitra

ka manatsotra ny tananao hivavaka aminy.

14Raha misy heloka eo an-tananao, dia ario lavitra izany;

aza avela hanan-toerana eo aminao ny tsy fahamarinana.

15Koa tsy hanan-tsiny ianao sady hitraka,

tsy misy hampihozongozona sy hampahatahotra anao.

16Fa hohadinoinao ny fahorianao lasa,

na toa rano nandalo sisa no hahatsiarovanao azy.

17Hamirapiratra noho ny mitataovovonana ny andronao;

ny haizina hanjary tahaka ny maraim-baovao.

18Hatoky ianao satria manantena;

ka na very laza sy afa-baràka aza

dia handry tsy amin’ahiahy ianao.

19Tsy hisy hanelingelina ny fialan-tsasatrao,

fa maro aza no hila sitraka aminao.

20Fa hihajamba kosa ny mason’ny olon-dratsy

ka tsy hahita lalan-kivoahana.

Ny fialana aina no sisa azony antenaina.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help