Deoterônômy 17 - Malagasy Bible

1Aza atao sorona ho an’ny TOMPO Andriamanitrareo ny omby sy ondry aman’osy izay misy kilema maharatsy azy, satria fanimbazimbana an’ilay TOMPO Andriamanitrareo ny manao izany.

2Ao amin’ny tanàna izay homen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo, dia mety hisy lehilahy na vehivavy hita manao izay ratsy eo imason’ny TOMPO Andriamanitrareo ka mivadika ny fanekempihavanana nataony.

3Lasa izany olona izany manompo andriamani-kafa ary miankohoka aminy na amin’ny masoandro na amin’ny volana na amin’ny kintana, nefa zavatra efa norarana tsy hataonareo ireny.

4Raha voatatitra aminareo izany toe-javatra izany ka renareo, dia fotopotory tsara; koa raha misy marina tokoa sady natao teo amin’i Israely izany fanimbazimbana izany,

5dia avoahy ho eo am-bavahadin’ny tanànanareo izay lehilahy na vehivavy nahavita izany zava-dratsy izany ka torahy vato ho faty.

6Amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo no hamonoana izay tokony ho faty; fa ny tenin’ny vavolombelona iray monja dia tsy ampy hamonoana azy.

7Ny tanan’ireo vavolombelona no hiainga voalohany hamono azy, vao ny tanan’ny vahoaka rehetra. Izany no hanesoranareo ny fanao ratsy ho fongotra eo anivonareo.

Fomba fitsarana ny raharaha sarotra

8Mety misy raharaha sarotra loatra ho an’ny fitsarana ao an-tanànanareo ka tsy efanareo, na momba ny vonoan’olona izany na ady ifanolanana na fandratrana olona na zavatra hafa ifandirana. Raha mitranga izany, dia hiainga ianareo ka hiakatra any amin’ny toerana izay hofidin’ny TOMPO Andriamanitrareo.

9Hanatona an’ireo Levita mpisorona sy ilay mpitsara tompon-draharaha ianareo ka hanontany azy, dia hambarany aminareo ny didim-pitsarana.

10Ary hampiharinareo io didim-pitsarana hambara aminareo eo amin’ny toerana izay hofidin’ny TOMPO io ka himasoanareo ny hanao araka izay rehetra hatorony anareo.

11Eny, araka ny torolalana homeny anareo sy araka ny fomba fitsarana holazainy aminareo no hataonareo; aza mivily miala amin’izany didim-pitsarana hambarany aminareo izany ianareo, na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia.

12Fa hovonoin-ko faty kosa ny olona entim-piavonavonana ka tsy mihaino an’ireo mpisorona mpanao fanompoam-pivavahana eo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitrareo na tsy mihaino an’ilay mpitsara. Izany no hanesoranareo ny fanao ratsy ho fongotra eo anivon’i Israely.

13Ary handre izany ny vahoaka rehetra, dia hatahotra ka tsy hoentim-piavonavonana toy izany intsony.

Fepetra momba ny mpanjaka

14Rahatrizay ianareo tafiditra ao amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo ka hahazo azy ho fanananareo sy honina eo, dia mety haniry hanangana mpanjaka hifehy anareo, tahaka ny ataon’ny firenena rehetra manodidina anareo.

15Koa izay mpanjaka hofidin’ny TOMPO Andriamanitrareo ihany no tena hatsanganareo hifehy anareo; eo anivon’ny mpiray firenena aminareo no hangalanareo mpanjaka izay hatsanganareo hifehy anareo, fa tsy azonareo ekena hifehy anareo ny olona vahiny izay tsy mpiray firenena aminareo.

16Kanefa aoka ny mpanjakanareo tsy hanana soavaly maro na handefa olona handevozina any Ejipta indray mba hahazoany soavaly maro, satria ny TOMPO efa niteny taminareo hoe: «Aza miverina amin’izany lalam-panandevozana izany intsony!»

17Aoka ny mpanjakanareo tsy hampirafy, fandrao hivily ny fony, ary aoka izy tsy hangorona volafotsy na volamena be ho azy.

18Rehefa tafapetraka eo amin’ny seza fiandrianana ilay mpanjakanareo, dia aoka hosoratany ho boky anankiray ho azy ny dikan’izao lalàna izao ka hataony araka ilay tahirizin’ireo Levita mpisorona.

19Ary ho eo aminy hatrany izany sady hovakîny mandritra ny andro rehetra iainany mba hianarany hanaja ny TOMPO Andriamaniny ka himasoany hanatanteraka ny teny sy didy rehetra raketin’izao lalàna izao.

20Izany no tsy hireharehany ho ambonin’ireo mpiray firenena aminy ary tsy hiviliany hiala amin’ny didy, na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia, ka ho maro andro hanjakàna izy sy ny taranany eo anivon’i Israely.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help