Hamôsa 4 - Malagasy Bible

1Ianareo andriambavilanitr’i Samaria,

izay mihamatavy tahaka ny ombivavin’i Basàna,

henoy izao teniko izao:

Manitsakitsaka ny madinika ianareo,

sy mampahory ny mahantra,

ary milaza amin’ny vadinareo hoe:

«Mitondrà hosotrointsika!»

2Izany no ianianan’ny Tompo ANDRIANANAHARY hoe:

«Noho ny fahamasinako dia manizingizina Aho,

fa indro ho avy aminareo ny andro

izay hitarihana amin’ny farango

ny tenanareo sy ny mpanotrona anareo.

3Ary eo amin’izay banga tandrify anareo avy

no hivoahanareo ny tanàna,

dia horoahina ho any Hermôna ianareo.

Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

Fiampangana ny sarintsarim-pivavahana

4Izao no teny hentitry Tompo ANDRIANANAHARY:

«Mankanesa any Betela, ry taranak’i Israely,

ka manotà ianareo;

mankanesa any Gilgala,

ka ampitomboy ny helokareo.

Ento ny soronareo ny ampitson’ny ahatongavana,

ary ny fahafolon-karenareo ny afakampitso.

5Dory hanetona eo amin’ny alitara

ny mofo misy leviora fanati-pisaoranareo;

ary ataovy antso avo ampahibemaso

ny fanatitra an-tsitrapo ataonareo,

satria izany no tianareo.

Tsy misy vokany ireo fampitandremana

6Izaho mihitsy no efa nahatonga mosary

tao amin’ny tanànanareo rehetra,

ary tsy fahampian-tsakafo

tao amin’ny fonenanareo rehetra;

nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo;

teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

7Izaho mihitsy no efa nampihantona ny orana

tsy ho eo aminareo,

raha mbola telo volana mialoha ny fararano.

Ka tamin’ny tanàna anankiray nandatsahako orana,

fa tamin’ny tanàna iray kosa tsy nandatsahako;

ny saha anankiray nilatsahan’ny orana,

fa ny saha iray kosa tsy mba nilatsahany ka maina.

8Nivembena nankao amin’ny tanàna iray

ny mponina tamin’ny tanàna roa na telo

mba hisotro rano tsy nahafa-ketaheta,

nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo;

teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

9Nasiako tamin’ny vary main’ny rivotra

sy maty fotsy ianareo;

nofongorako ny zaridainanareo sy ny voalobokareo,

nohanin’ny valala ny aviavinareo sy ny ôlivanareo,

nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo;

teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

10Nalefako teo aminareo ny pesta mpamely biby fiompy

tahaka ny pesta nalefako tany Ejipta;

novonoiko ho faty tamin’ny sabatra ny zatovolahinareo,

sady nobaboina koa ny soavalinareo;

ary nampiakariko hatrany am-bavoronareo

ny hamaimbon’ny faty ao an-tobinareo;

nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo;

teny hentitry ny TOMPO izany.

11Efa natsimbadiko ambony ambany ny tao aminareo

tahaka izay nataoko tamin’i Sôdôma sy Gômôra;

ka ianareo izao dia toy ny tapa-porohana

nosarihina avy ao amin’ny afo

nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo;

teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

12Koa dia hisy sazy hataoko aminao, ry Israely;

ary rehefa izany no hataoko aminao,

dia miomàna ianao hihaona amin’Andriamanitrao.»

13Satria tandremo fa Izy no mpamorona ny tendrombohitra

sy mpahary ny rivotra,

Izy no manambara amin’ny olombelona ny fikasany,

mahatonga ny maraina ho haizina

sady mandeha eny am-paratampon’ny tany:

Ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao no anarany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help