Jônà 4 - Malagasy Bible

Fantatr’i Jônà ny anton’ny famindrampon’Andriamanitra tamin’i Ninive

1Tsy nahafaly an’i Jônà mihitsy izany ka dia nirehitra ny fahatezerany.

2Nivavaka tamin’ny TOMPO izy ka nanao hoe:

–TOMPO ô, izao indrindra no efa nahîko raha mbola tany amin’ny fireneko aho, ka nahatonga ahy handositra hankany Tarsîsy. Fantatro manko fa Ianao dia Andriamanitra miantra sy mamindrafo, tsy mora tezitra sady be fitiavana ary vonon-kiova fanapahan-kevitra ny amin’ny loza.

3Ankehitriny, TOMPO ô, avelao aho ho faty, fa aleoko maty toy izay velona.

4Fa hoy ny TOMPO:

–Rariny ve raha nirehi-pahatezerana ianao?

5Dia nivoaka ny tanàna i Jônà ka nijanona teo atsinanan-tanàna. Dia nanamboatra trano bongo ho azy teo izy ka nipetraka teo ambanin’ny alokalony niandry izay hitranga ao an-tanàna.

6Tampotampoka teo dia nampaniry tanantanamanga avo mihoatra ny tsanganan’i Jônà ny TOMPO Andriamanitra mba hialokalofany sy hanafaka ny hasosorany; ary nahafaly an’i Jônà tokoa io zavamaniry io.

7Ny ampitso vao mangiran-dratsy anefa dia nandefa fositra kosa Andriamanitra hikiky ilay zavamaniry ka maina tery io.

8Koa rehefa niposaka ny masoandro, dia nandefa rivotra mahamay avy any atsinanana Andriamanitra. Namely ny lohan’i Jônà ny masoandro ka nila hanafotra azy. Dia naniry ny ho faty izy ka nivavaka hoe: «Aleoko maty toy izay velona.»

9Fa hoy Andriamanitra taminy:

–Rariny ve raha mirehi-pahatezerana ny amin’io zavamaniry io ianao?

Ary novalian’i Jônà hoe:

–Eny, rariny raha mirehi-pahatezerana aho ka satriko aza ny ho faty.

10Dia hoy ihany ny TOMPO hoe:

–Malahelo io zavamaniry io ianao kanefa tsy nisasatra taminy kely akory na nanao izay nampaniry azy. Fa indray alina fotsiny no naniriany, dia maty rehefa avy niaina indray alina izy.

11Koa Izaho ve tsy mba halahelo an’i Ninive, dia ilay tanàna lehibe misy olona maherin’ny roa alina sy iray hetsy izay tsy mahafantatra akory ny mahasoa azy, mbamin’ireo biby fiompy tsy tambo isaina?

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help