Isaià 39 - Malagasy Bible

Nandray ny masoivohon’i Babilona i Hezekià

1Tamin’izany fotoana izany i Merôdaky-Baladàna, zanakalahin’i Baladàna sady mpanjakan’i Babilôna, no nandre fa narary i Hezekià ary efa sitrana. Dia nandefa iraka hitondra taratasy sy fanomezana ho azy izy.

2Ary faly i Hezekià tamin’ny fahatongavan’ireto iraka; dia nasehony azy ny trano fitahirizana zava-tsoa, dia volafotsy sy volamena ary zava-manitra sy menaka mamerovero; nasehony azy koa ny trano fitobian’ny fitaovam-piadiana rehetra mbamin’ny zavatra hafa isan-karazany tao amin’ny fitoeran-drakiny. Tsy nisy zavatra nafeniny azy na ny tao an-dapany na ny tao amin’ny fanjakany manontolo.

3Taorian’izany dia nankany amin’i Hezekià mpanjaka i Isaià mpaminany ka nanontany azy hoe:

–Inona no nolazain’ireny olona ireny? Avy aiza hono izy no nankatỳ aminao?

Dia novalian’i Hezekià hoe:

–Avy any Babilôna lavitra any izy no nankatỳ amiko.

4Ka hoy indray i Isaià:

–Inona avy anefa no hitany tato an-dapanao?

Dia hoy ny navalin’i Hezekià:

–Izay rehetra ato an-dapako dia hitany avokoa. Tsy nisy zavatra nafeniko azy ny tao amin’ny fitoeran-drakitro manontolo.

5Dia hoy i Isaià tamin’i Hezekià: «Henoy ny tenin’ny TOMPOn’izao rehetra izao:

6Indro ho avy ny andro hitondrana any Babilôna izay rehetra ato an-dapanao sy izay rehetra nangonin’ireo razanao hatramin’izao. Tsy hisy tavela eto na inona na inona, hoy Izaho TOMPO.

7Ary na dia ny sasany amin’ireo taranakao aza dia hoentina any koa ho mpanompo hanao raharaha ao an-dapan’ny mpanjakan’i Babilôna».

8Ary hoy i Hezekià tamin’i Isaià: «Tsara ny tenin’ny TOMPO izay nambaranao.» Fa hoy izy manko anakampo hoe: «Hisy fiadanana sy fandriampahalemana izany amin’ny androko.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help