Jôba 42 - Malagasy Bible

Miaiky ny tsy fahombiazany i Jôba

1Namaly ny Tompo i Jôba ka nanao hoe:

2Fantatro fa mahay ny zava-drehetra Ianao,

ary tsy misy maharara izay tianao hatao.

3Hoy Ianao tamiko: «Zovy moa ianao

no sahy manivaiva ny fikasàko

amin’ireo teny foana tsisy dikany?»

Eny, zava-tsy takatry ny saiko no voateniko

dia zava-mahagaga loatra amiko sady tsy fantatro!

4«Henoy, hoy Ianao, fa mbola hiteny Aho;

hanontany anao Aho ka hovalianao.»

5Tsy nahafantatra ny aminao aho

afa-tsy izay henoko momba Anao ihany.

Kanefa ankehitriny izao kosa

dia ny masoko no nahita Anao.

6Izany no anatsoahako izay voambarako,

sy iekeko hadisoana ary ietreko tena

eto amin’ny vovoka sy ny lavenona.

Naverin’ny Tompo amin’ny laoniny ny momba an’i Jôba

7Rehefa voalazan’ny Tompo tamin’i Jôba ireo teny ireo, dia i Elifaza avy any Temàna no nataotaony hoe:

–Tezitra aminao sy ny namanao roa lahy Aho satria tsy mba marina tahaka izay nolazain’i Jôba mpanompoko ny filàzanareo Ahy.

8Koa ankehitriny makà ombilahy fito sy ondrilahy fito ianareo, dia mankanesa any amin’ny Jôba mpanompoko. Hatolotrareo ho sorona dorana manontolo noho ny fahotanareo ireo biby ireo; ary hifona ho anareo i Jôba mpanompoko. Fa ho sitrako ny vavak’i Jôba, ka tsy hamaly anareo araka ny hadalànareo Aho na dia tsy marina tahaka izay nolazain’i Jôba mpanompoko aza ny filàzanareo Ahy.

9Dia nandeha i Elifaza avy any Temàna sy i Bildada avy any Soha ary i Tsôfara avy any Nahama ka nanao izay nasain’ny TOMPO hataony; ary sitraky ny TOMPO ny vavak’i Jôba.

10Rehefa avy nivavaka ho an’ireo namany i Jôba, dia naverin’ny TOMPO hanan-karena indray ary nomeny indroan’izay rehetra nananany fahiny aza.

11Dia tonga namangy an’i Jôba avokoa ny rahalahiny sy ny anabaviny mbamin’ny olom-pantany fahiny, ka niara-nihinana taminy tao an-tranony. Naneho fiombonana taminy koa ireo sady nampionona azy noho ny loza rehetra nalefan’ny TOMPO taminy. Ary samy nanolotra fanomezana vola kesita iray sy rojo volamena iray avy ho azy izy rehetra.

12Nandritra ny taona sisa niainan’i Jôba, dia heniky ny fitahian’ny TOMPO mihoatra noho ny taloha izy, fa nanana ondry 14 000, rameva enina arivo, omby miasa roa arivo ary borikivavy arivo izy.

13Nanan-janakalahy fito ary zanakavavy telo koa izy,

14ka ny vavimatoa nataony hoe Jemimà, ny vaviaivo Ketsihà ary ny faravavy Kerena-Hapòka.

15Tao amin’ny tany iray manontolo dia tsy nisy vehivavy tsara tarehy tahaka ireo zanakavavin’i Jôba. Ary samy nomen-drainy ny anjara lovany tahaka ireo anadahiny avy izy.

16Taorian’izany dia mbola velona efapolo amby zato taona i Jôba ka nahita ireo zanany sy zafikeliny hatramin’ny zafindohaliny.

17Dia maty i Jôba rehefa ela niainana ka tratrantitra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help