Hôsea 10 - Malagasy Bible

Ny fitsaran’Andriamanitra an’i Israely

1Voaloboka misandrahaka

sady namoa tsara i Israely.

Arakaraka ny hamaron’ny voany

no nanamaroany ny alitarany;

arakaraka ny nandrosoan’ny taniny

no nanaovany tsangambaton-tsampy

tsara tarehy kokoa hatrany.

2Feno fitaka ny fony,

ka hianjady amin’ireo olona ireo

ny vesatry ny heloka vitany.

Izy TOMPO mihitsy

no hamotika ny alitaran’ireo

sy handrava ny tsangambaton-tsampiny.

3Ankehitriny hiteny ireo hoe:

«Tsy mana-mpanjaka izahay

noho ny tsy nanajanay ny TOMPO.

Sady soa inona ho anay moa

no ho vitan’izay mpanjaka?»

4Miteniteny foana izy

no mianian-tsy tò

sady manao fifanekena,

ka ny rariny dia nitrebona

toy ny zava-maniry misy poizina

eny an-tsaha voaasa eny.

5Ny mponin’i Samaria dia manaja

ilay sarin’ombilahikely

izay ao Bety-Avena,

satria misaona azy ny vahoakany

mbamin’ireo mihambo ho mpisorony.

Ny voninahitr’ilay ombilahikely anie

no aoka hiravoravoany,

amin’izao izy lasa babo

ho lavitra antsika izao!

6Satria io ombilahikely io koa

dia hoentina any Asiria ho fanomezana

ho an’ilay Mpanjaka lehibe;

hahafa-baràka an’i Efraîma izany;

eny, hangaihay i Israely

noho ny sain-dratsiny.

7Vita hatreo ny amin’i Samaria,

fa ny mpanjakany dia toa sila-kazo

mitsingevaheva eny ambonin’ny rano.

8Ho rava ireo toeram-panasinana:

izany no hadisoana sy fahotan’i Israely.

Songosongo aman-tsilo

no handadina ny alitarany.

Amin’izay no hitenenana hoe:

«Ry tendrombohitra, saròny izahay!»

«Ry havoana, mianjerà aminay».

Izay nafafin’i Israely no hojinjainy

9Hatramin’ny andron’ilay raharaha

izay niseho tao Gibehà

no efa nanota i Israely,

ary tsy niova tamin’izany izy.

Koa tsy rariny ve raha ao Gibehà ny ady

no hahatratra ireo olon-dratsy ireo?

10Sitrako ny hanafay azy, hoy Izaho TOMPO:

ireo firenena no hifamory hamely azy

ho valin’ny heloka roa nataony.

11I Efraîma dia ombivavy kely

efa voafolaka tsara

ary tia mively vary.

Raha nahita ny vozony tsara tarehy aho,

dia nanisy zioga azy:

ka i Joda hiasa tany

ary i Israely handravona.

12Mamafaza fahamarinana,

dia hijinja fitiavana ianareo.

Miasà tany vaovao

fa izao no fotoana hitadiavana ny TOMPO,

mandra-piaviny handatsaka aminareo ny famonjena.

13Faharatsiana kosa no nambolenareo

ka nijinja heloka ianareo

ary nihinana ny vokatry ny lainga.

«Ry Israely ô, ny herinao no nitokianao

ary koa ny habetsahan’ny miaramilanao.

14Koa hitrangan-tabataban’ady ny vahoakanao,

ary ho rava avokoa ny tanànamimandanao,

tahaka ny nandravan’i Salmàna

an’i Bety-Arbèla

tamin’ny andro niadiana

izay nahatorotoro ireo reny

mbamin’ireo zanany.

15Toy izany no hanjo anareo,

ry vahoakan’i Israely,

noho ny haratsiana mihoa-pampana vitanareo.

Vao maraina ny andro,

dia ho faty ny mpanjakan’i Israely.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help