Genesỳ 37 - Malagasy Bible

Ireo nofin’i Jôsefa

1Nipetraka tao amin’ny tany Kanahàna i Jakôba, dia tao amin’ny faritany nivahinian-drainy.

2Toy izao no tantaran’ny ankohonan’i Jakôba: Rehefa fito ambin’ny folo taona i Jôsefa, dia niandry ondry niaraka tamin’ireo rahalahiny; fa izy dia zaza niaraka tamin’ny zanakalahin’i Bilehà sy i Zilpà, vadikelin-drainy. Ary taterin’i Jôsefa amin-drainy avokoa ny ratsy lazaina momba ireo rahalahiny.

3Tian’i Jakôba mihoatra noho ireo rahalahiny rehetra i Jôsefa satria zanaky ny fahanterany, ka nanaovany akanjo tsara tarehy.

4Hitan’ireo rahalahiny fa tian-drainy mihoatra noho izy rehetra i Jôsefa, ka nankahalainy sady tsy hainy nitenenana tamim-pihavanana intsony.

5Indray mandeha dia nanonofy i Jôsefa ary notantarainy tamin’ireo rahalahiny ny nofiny, ka vao mainka niampy ny fankahalàn’ireo azy.

6Hoy izy tamin’ireo:

–Aza fady, henoy ange ity nofiko ity e!

7Teny ampovoan-tanimbary, hono, isika ary teo am-pamehezam-bary indrindra no indro ny fehezam-bariko nitsangana sady nijoro mahitsy, fa ny fehezam-barinareo kosa nanodidina sady niankohoka teo anatrehan’ny fehezam-bariko.

8Ka hoy ireo rahalahiny taminy:

–Dia hanjaka aminay sy hifehy anay tokoa ve ianao?

Vao mainka niampy izaitsizy ny fankahalàny azy noho ireo nofiny sy ny fitantàrany azy.

9Ary mbola nanonofy hafa i Jôsefa, dia notantarainy tamin’ny rahalahiny hoe:

–Nanonofy indray aho, ka indro hono ny masoandro sy ny volana ary ny kintana iraika ambin’ny folo tonga niankohoka teo anatrehako.

10Notantarainy tamin’ny rainy toy ny efa nataony tamin’ireo rahalahiny koa io nofy io, ka nibedy azy ny rainy nanao hoe:

–Inona moa ity nofinofinao ity? Moa tsy maintsy ho avy tokoa ve izaho sy ny reninao ary ireo rahalahinao hiankohoka eo anatrehanao?

11Dia nialona an’i Jôsefa ireo rahalahiny, fa ny rainy kosa nandinika izany nofy izany.

Namidin’ny rahalahiny i Jôsefa

12Nandeha niandry ny ondry aman’osin-drainy tany akaikin’i Sekema ireo rahalahin’i Jôsefa.

13Ka hoy i Jakôba tamin’i Jôsefa:

–Moa tsy miandry ondry any akaikin’i Sekema ve ireo rahalahinao? Koa andeha àry ianao hirahiko ho any aminy.

Dia hoy ny navaliny azy:

–Inty aho.

14Fa hoy indray i Jakôba hoe:

–Mandehana ianao ka jereo na tsara ihany izy ireo sy ny andian’ondry aman’osy na tsia. Avy eo dia miverena hilaza amiko ny vaovao.

Avy teo amin’ny lohasahan’i Hebrôna i Jôsefa no nirahin-drainy. Nony tonga tao akaikin’i Sekema izy,

15dia nisy lehilahy iray nahita azy nirenireny eran’ny tanety ka nanontany azy hoe:

–Fa inona no tadiavinao?

16Hoy kosa i Jôsefa hoe:

–Ny rahalahiko no tadiaviko, ka asa raha mba afaka manoro ahy ny toerana iandrasany ny biby fiompy ianao?

17Ary hoy ralehilahy hoe:

–Efa niala teto izy, fa reko niresaka hoe hankany Dôtàna.

Dia nanara-dia ireo rahalahiny i Jôsefa, ka nahita azy tao Dôtàna.

18Mbola lavitra i Jôsefa, dia tazan’ireo rahalahiny; ka raha tsy mbola tonga teny aminy akory izy, dia niray tetika hamono hahafaty azy ny rahalahiny

19ka nifampiresaka hoe:

–He, inty tamy ilay mpanonofy!

20Andeha hovonointsika ho faty izy, dia hatsipintsika ao anatin’ny anankiray amin’ireto lavaka fantsakana ireto, ka holazaintsika hoe lanin’ny biby masiaka. Amin’izay dia ho hitantsika raha ho tanteraka ny nofiny.

21Rehefa nandre izany i Reobena, dia tapa-kevitra hamonjy an’i Jôsefa ka nanao hoe:

–Aoka re tsy hovonointsika ho faty izy.

22Sady mbola nampian’i Reobena hoe:

–Aza mandatsa-dra ianareo; aza vonoina ho faty izy, fa atsipazo ao anatin’io lavaka atỳ an-taniefitra io fotsiny.

Nilaza izany taminy izy, mba hamonjeny azy ka hamerenany azy any amin’ny rainy.

23Raha vao tonga teo amin’ny rahalahiny i Jôsefa, dia nendahan’ireo ny fitafiany, izany hoe ilay akanjo tsara tarehy teny aminy;

24ary nobatainy izy ka natsipiny tao an-davaka, dia lavaka iray tsy nisy rano.

25Avy eo dia nipetraka nihinana ireo, ary nitazana ka nahatsinjo andiana Jismahelita nandalo avy any Gilehada, nitanjozotra nidina ho any Ejipta. Ireo ramevany dia mitondra ditin-kazo manitra toy ny nekôta sy balsama ary làdana.

26Dia hoy i Joda tamin’ireo rahalahiny:

–Inona moa no tombon-tsoa ho antsika raha vonointsika ho faty ny rahalahintsika ary afenintsika ny fahafatesany?

27Andeha hamidintsika amin’ireto Jismahelita ireto izy fa tsy hikasi-tanana azy isika, satria rahalahintsika izy ary fianakaviantsika ihany.

Dia nanaiky ireo rahalahiny.

28Raha nandalo ireo lehilahy midianita mpivarotra, dia nakariny avy tao an-davaka i Jôsefa ary namidiny sekela volafotsy roapolo tamin’ny Ismaelita izay nitondra azy nankany Ejipta.

29Rehefa niverina hijery ny lavaka i Reobena, dia tsy tao intsony i Jôsefa; diso fanantenana izy ka nandriatra ny fitafiany.

30Niverina nankeo amin’ireo rahalahiny izy ka niantsoantso hoe:

–Tsy ao intsony ny zaza, ka aiza no tany halehako?

31Nalain’ireo rahalahiny ny akanjon’i Jôsefa ka natsobony tao anaty ran’osy novonoiny.

32Avy eo dia nalefany tany amin’ny rainy iny niaraka amin’ny hafatra hoe: «Inty no hitanay, ka fantaro raha akanjon-janakao ity na tsia.»

33Fantatr’i Jakôba fa an’i Jôsefa io, koa niantsoantso izy hoe:

–Akanjon-janako tokoa ity! Noviravirain’ny biby masiaka i Jôsefa ary laniny.

34Dia nandriatra ny fitafiany i Jakôba ka nisikina lamba fisaonana, ary nisaona ny zanany nandritra ny andro maro.

35Tonga nampionona azy avokoa na ireo zanany lahy na ireo zanany vavy; kanefa tsy nety nionona izy, fa nanao hoe: «Mbola hisaona aho no hidina hihaona amin-janako any amin’ny toeran’ny maty.» Koa mbola nitomany an-janany ihany izy.

36Ireo Midianita kosa nivarotra an’i Jôsefa tany Ejipta tamin’i Pôtifara, tandapan’ny Farao sady lehiben’ny mpiambina azy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help