Jôba 41 - Malagasy Bible

1Nofinofy ny fanantenana handresy ny voay,

fa ny fahitana azy fotsiny dia mahaketraka.

2Tsy misy olona sahy mihantsy ady aminy,

koa zovy kosa no sahy hifanandrina amiko?

3Fa tsy ananan’olon-trosa Aho:

Ahy izay rehetra eny ambany masoandro.

*

4Kanefa mbola holazalazaiko izao

ny amin’ny rantsam-batan’ny voay

sy ny antsipirian’ireo asa mahery vitany

ary ny hatsàran’ny endrika ananany.

5Iza no mahainga ny fitafiany ivelany,

na handoaka ny akanjovy matevina ifonosany?

6Iza koa no sahy hanokatra ny vavany,

fa ireo nifiny dia mampihorohoro

izay olona eny manodidina?

7Ny lamosiny dia voasaron’ampinga milahatra

sady tafatambatra mafy sy mifanety.

8Mifanakaiky dia mifanakaiky ireo

ka tsisy hirika idiran-drivotra akory.

9Mifanindry sy mifamikitra koa ireo

ka tsy azo sarahina mihitsy.

*

10Vao mievina ny voay, dia mamoaka hazavana;

ka ny masony manjary manjopiaka

toy ny masoandro vao miposaka.

11Ny vavany kosa ivoahan’ny lelafo

sy ipariahan’ny kilalaon’afo.

12Mivoa-tsetroka ny vavoron’ny voay

mova tsy vilany mangotraka

notanehina tamin-jozoro.

13Mampirehitra arina ny fofonainy,

satria lelafo no avoaky ny vavany.

14Ny vozony no itoeran-kery

ka mihorohoro izay mahita azy.

*

15Mivalombalona ireo hotraky ny voay,

ka mafy sady mihenjana tsy voalefitra.

16Mafy tahaka ny vato ny fony,

eny, mafy toy ny vato fikosoham-bary.

17Rehefa mitsangana ny voay,

dia mangovitra ireo filoha

fa tsy afa-manoatra noho ny tahotra.

18Tsy misy sabatra mahalaitra azy,

toy izany koa ny lefompohy

na ny firombaka na ny zana-tsipîka.

19Toy ny mololo ny vy aminy

ary toy ny hazo boboka ny varahina.

20Tsy mampandositra azy izay zana-tsipîka,

ataony toy ny mololo ny vaton’antsamotady

21Toy ny vodivary ny langilangy aminy;

ihomehezany ny firimorimon’ny lefona.

*

22Feno fantsika miranirany ny takiban’ny voay

ka mikisaka mova tsy hersa manditra fotaka.

23Rehefa misitrika anaty rano lalina izy,

dia mampandroadroatra izany

toa rano mangotraka ao am-bilany

ary manova ny farihy ho fandoroan-java-manitra.

24Mamela dindo mazava eo aoriany izy

ka ny onja dia tahaka ny volofotsy

mitsinkafona eny amin’ny rano lalina.

25Tsy misy tahaka ny voay eny ambonin’ny tany

fa noariko tsy hanan-tahotra izy.

26Bandrininy avokoa ny biby goavana;

izy no mpanjakan’ny biby masiaka rehetra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help