Ezekiela 24 - Malagasy Bible

I Jerosalema oharina amin’ny vilany harafesina

1Tamin’ny taona fahasivy taorian’ny fahababoana, nony andro fahafolon’ny volana fahafolo, dia nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:

2«Ry ilay taranak’olombelona, raiso an-tsoratra ny datin’andro anio, satria mitsingerina anio ny nanombohan’ny mpanjakan’i Babilôna nanao fahirano an’i Jerosalema.

3Arosoy amin’ny vahoakako maditra ity fanoharana ity, ka ambarao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY:

‹Manomàna vilany iray eo an-tokoana

ka asio rano ao anatiny.

4Ary vongan-kena no arotsahy ao,

dia ny vongany tsara rehetra,

na ny feny na ny sorony;

ary fenoy taolana voafantina izany.

5Ondry voafantina no akao ny hena.

Ary tohofy kitay ao ambanin’ny vilany;

dia ampangotrahy tsara ireo rehetra ireo,

satria handrahoina ihany koa ny taolana.›

6Koa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY dia milaza hoe:

‹Lozan’ny tanàna mpamono olona!

Ny anoharana azy dia vilany misy harafesina

ka harafesina tsy mety afaka ao anatiny.

Loary tsirairay tao ny vongan-kena,

fa aza misy anaovana antsapaka havela.

7Eny, mbola ao an-tanàna ny ra izay nalatsany;

teo ambony vato mangadihady no nandrarahany azy,

fa tsy naidiny teo amin’ny tany kosa

mba ho voatototry ny vovoka.

8Dia navelako tsy hitototra

teo ambony vato mangadihady teo

ny ra izay nalatsany,

mba hampitroatra ny hatezerako

ka hampiharana ny famaizako.›

9Koa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY:

‹Lozan’ny tanàna mpamono olona!

Izaho mihitsy no hanamboatra

fatana goavana handoroana azy.

10Atohofy betsaka ny kitay,

dia areheto ny afo,

andrahoy ho masaka tsara ny hena,

ka asio zava-manitra ho fangarony;

ary aoka ho may tanteraka ny taolana.

11Eo ambonin’ny vainafo eo kosa

no ataingeno ilay vilany foana

mba hampafana azy sy hahatonga ny halimo ho mena;

aoka ho levona amin’izay ireo loto ao anatiny

ary aoka ho kila tanteraka ny harafesiny.›

12Nefa very maina ny ezaka rehetra hanalana ny harafesina! Betsaka loatra ny harafesin’ilay vilany ka tsy afaky ny afo.

13Ry Jerosalema, nandoto tena tamin’ny filibànao ianao. Te ho nanadio anao Aho, nefa tsy nety voadio ianao. Koa tsy hadio ho afaka amin’ny fahalotoanao ianao ambara-pialan’ny fahatezerako manontolo aminao.

14Izaho TOMPO no miteny, ka ho tonga izany ary hampihariko tsy misy fisalasalana na nenina na indrafo. Araka ny toetranao sy ny asanao no hanamelohana anao. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»

Ny fisaonan’i Ezekiela

15Ary nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:

16«Ry ilay taranak’olombelona, halaiko tampoka tsy ho eo aminao ilay fifalian’ny masonao. Nefa tsy hitaraina na hitomany na handrotsa-dranomaso akory ianao.

17Tano ho anao ny alahelonao fa aza manao fisaonana. Afehezo eny an-dohanao ny hamama ary manaova kapa toy ny mahazatra ianao, aza misarona endrika na mihinana ny mofo fanao amin’ny fisaonana.»

18Dia niteny tamin’ny vahoaka aho ny maraina; ary ny harivan’iny ihany dia maty ny vadiko. Nony ampitso maraina dia nanao araka izay efa nandidian’ny Tompo ahy aho.

19Koa niangavy ahy ny olona mba hanazava aminy ny anton’izao fihetsiko izao.

20Dia hoy aho taminy: «Nisy tenin’ny TOMPO tamiko niangavy ahy

21hanambara aminareo Israelita fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Havelako holotoina ny toerako masina izay fireharehànareo fatratra sy fifalian’ny masonareo ary fanantenàm-piainanareo. Ny zanakareo lahy sy vavy, izay tafajanona ao Jerosalema, dia ho fatin’ny sabatra.

22Dia hanao tahaka an’i Ezekiela ianareo, tsy hisarona endrika ary tsy hihinana ny mofo fanao amin’ny fisaonana.

23Hofehezinareo eny an-dohanareo ny hamama, ary hanaovanareo ny kapanareo, tsy hitaraina ianareo sady tsy hitomany. Nefa hihareraka ianareo noho ny fahadisoanareo, ary hifampitoloko ianareo samy mpiray firenena.

24Koa i Ezekiela dia ho famantaram-panairana ho anareo. Tahaka izay rehetra nataony no hataonareo koa; ary rehefa tonga ireo zavatra voalaza ireo, dia hoekenareo fa Izaho no Tompo ANDRIANANAHARY.›

25«Ianao kosa, ry ilay taranak’olombelona, mihainoa: Indray andro any, dia hoesoriko tsy ho eo aminy ny toera-masina izay fiarovany sy fahafinaretan’ny voninahiny ary fifalian’ny masony sy hamamiam-piainany; hoesoriko aminy koa ny zanany lahy sy vavy.

26Amin’izany andro izany dia hisy olona iray handositra ka ho avy hampandre anao ny vaovao.

27Androtr’iny ihany dia hisoka-bava hiteny ianao, fa tsy ho moana intsony, ka hiresaka amin’io olona io. Ho famantaram-panairana ianao ho an’ny vahoakako, ka amin’izay dia hoekeny fa Izaho no TOMPO.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help