Salamo 94 - Malagasy Bible

SALAMO Andriamanitra no mpamaly ny tsy rariny

1TOMPO Andriamanitra mpamaly ny natao ô,

ry Andriamanitra mpamaly ny natao ô, mba misehoa!

2Ry ilay mpitsara ny mponin’ny tany ô,

mirotsaha an-tsehatra Ianao;

izay nataon’ny mpiavonavona ihany no amalio azy.

3TOMPO ô, mandra-pahoviana

no hifalifalian’ny olon-dratsy,

eny, mandra-pahoviana?

4Fa mirehaka izy sady miteniteny foana;

mizahozaho ireo mpanao ratsy rehetra ireo.

5Ny vahoakanao, TOMPO ô, ampahorîny;

ireo voatokana ho Anao ampijalîny.

6Ny mpitondratena sy ny kamboty vonoiny ho faty,

ny valovotaka eto amin’ny taninao ataony afaka aina.

7Fa hoy izy hoe: «Tsy mahita akory ny Tompo;

tsy mahalala velively ny Andriamanitr’i Jakôba!»

8Ry olona ketrina indrindra, mitandrema!

Ry adala, rahoviana vao handinika ianareo?

9Ny Tompo Izay nanao ny sofina ve tsy handre?

Izy namorona ny maso indray no tsy hahita?

10Ilay mpanitsy ny firenena ve tsy hanafay?

Izy mpampianatra ny olona indray

no heverina ho tsy manam-pahalalana?

11Fantatry ny TOMPO ny fikasan’ny olona,

eny, fantany fa tsinontsinona ireny.

12Sambatra ny olona anarinao, Tompo ô,

ka ampianarinao amin’ny lalànanao!

13Ataonao miadana amin’ny andro mahory izy,

nefa ny olon-dratsy ihadiana longoa.

14Fa tsy manary ny vahoakany ny TOMPO

na mandalo an’ireo voatokana ho Azy:

15hanjary ara-drariny indray ny fitsarana

ka hiandanian’ny mahitsy fo rehetra.

16Iza àry no hitsangana hiaro ahy amin’ny mpanao ratsy?

Iza no hiady ho ahy amin’ny ataon’ireo mpanao heloka?

17Raha tsy ny TOMPO no namonjy ahy,

dia efa saika lasana mihitsy aho

ho any amin’ny toera-manginan’ny maty.

18Fa isaky ny niteny aho hoe:

«Mangozohozo ny tongotro!»,

dia ny fitiavanao, TOMPO ô, no nanohana ahy hatrany.

19Rehefa feno fanahiana tao anatiko aho,

dia nampionona sy nampifaly ahy Ianao.

20Ianao ve dia hiray tsikombakomba

amin’ireo mpitsara tsy marina

izay mamoron-tsazy tsy ara-dalàna?

21Mikaon-doha hahafaty ny olo-marina ireo

sady manameloka ny tsy manan-tsiny.

22Saingy ny TOMPO no manda mafy ho ahy,

Ilay Andriamanitro no vatolampy fialofako.

23Hatsingeriny amin’ireo ihany ny heloka nataony

ary ny faharatsiany ihany no handringanany azy;

eny, ny TOMPO Andriamanitsika no handringana azy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help